Actualités

Ravatomanga Roland Nanome toky fa tsy hisy ny kere


  • Alakamisy 10 Aprily 2014

Ny faritra andrefan’ny Nosy iray manontolo no efa misy andiam-balala amin’izao ary tafiditra aty afovoan-tany ihany koa izy ireo.

 Isan’izany koa eto Analamanga izay ny renivohitra mihitsy omaly no nahitana ireo voina fandrava ireo tamina faritra maro. Nilaza ny minisitry ny fambolena Ravatomanga Roland fa ny FAO no tomponandraikitra voalohany amin’ny famonoana ny valala izay mampiasa fiaramanidina sy helikoptera 4 mandraraka fanafody avy eny ambony eny ankoatra ireo ekipa mandeha tongotra. Tsy maintsy lanjalanjaina anefa ny fatran’ny fanafody ampiasana sao hisy voka-dratsy amin’ny olombelona na ny voly na koa ny biby fiompy. Noho ny maha anaty toerana be olona ireo andiam-balala dia tsy afaka mandraraka fanafody ireo fiaramanidina fa ireo ekipa mandeha an-tongotra no tena miasa. Entanina araka izany ny mponina hampiasa izay fomba azony atao tahaka ny fanaovana setroka mololo hampandosirina ireo valala izay mihinana ny voly eny an-tsaha hoy ny Minisitry ny fambolena Ravatomanga Roland.

Ezahana ny tsy hitaran’ny faritra misy azy ireo any atsinanana. Hisy vokany amin’ny fambolena izao firongatry ny andiambalala izao na dia mbola tsy afaka manome tarehimarika aza ny ministera tomponandraikitra. Nanome toky kosa anefa i Ravatomanga Roland fa tsy hisy ny kere. Marihina fa ny FAO no miantoka ny entimanana ara-bola sy mandrindra ny lafiny ara-teknika amin’izao ady amin’ny andiambalala izay haharitra 4 taona izao. Efa nielipatrana loatra mantsy izy ireo nandritra ny 4 taona (2009-2013) noho ny tsy fisian’ny tetibola nampiasian’ny Centre National Antiacridien ka lasa mampaharitra ny asa atao. Velarantany 5 hetsy hekitara no voararaka fanafody tamin’ny hetsika voalohany izy nifarana tamin’ny 05 aprily teo raha hiampy 3 hetsy ha izany amin’ny fifanaran’ny hetsika faharoa amin’ny jolay izao 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT