Anisan’ny nohamafisin’ny filoha Marc Ravalomanana io nandritra ny fidirana nitafa mivantana tamin’ireo Vahoaka tao amin’ny Distrikan’Antanifotsy natao tao amin’ny Kaominina Ambohimandroso ny alahady 27 febroary 2011 teo.
Nambarany koa fa tsy mitsahatra mitady ny fomba rehetra hiverenana eto Madagasikara ny tenany mba hitondra filaminana sy fandriampahalemana ary fampandrosoana fa tsy korontana velively araka ny lazain’ny sasany. Nambarany koa fa vao ny sabotsy teo indray no nihaona tamin’Atoa Joachim Chissano ny tenany nampatsiahy ny tsy hanaovana ambanin-javatra ny raharaha eto Madagasikara. Efa roa taona mantsy izao ny vahoaka no niaritra ny mafy, niaritra fanenjehana sy fangadrana ary ny tsy fahafahana maneho hevitra intsony noho ny ataon’ireo mpitondra tsy ara-dalàna. Fantatra ihany koa fa tafiditra amin’ny lahadinika atao amin’ny fihaonan’ireo firenena vaventy ao Frantsa amin’izao fotoana izao ny raharaha Madagasikara ary “nanaitra ny sain’izao tontolo izao ny tranga ny faha-19 febroary lasa teo iny ka tsy tokony ho kivy isika vahoaka”, hoy izy.
Nambarany fa “tsy misy fifanarahana mihatra izany raha tsy misy ny sonian’ireo mpitarika ny ankolafy, ary tsy maintsy mitohy ny fifampidinihina amin’ny hisian’ny tena fiaraha-mitantana tena izy”. Notsindrian’Atoa Marc Ravalomanana fa “noravan’izao fitondrana izao ny fihavanana sy ny firaisankina ka tsy maintsy isika ihany no hamerina izany”, hoy izy ka izay no tsy hilana ny hakiviana fa vao mainka tokony hisikina mafy. Nahafaly ireo mpikatroka TIM tao amin’ny Distrikan’Antanifotsy moa ny naheno mivantana ny tenin’ny filoha Ravalomanana tamin’ity fihaonana ity ary hita fa tena nahazo hery ireo solontenan’ny Kaominina 12 mandrafitra ny distrika nony nisaraka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.