Actualités

Ravalomanana Marc Mijoro hatrany hanampy ny Malagasy


  • Alarobia 03 Aogositra 2016

Mpanao politika tsy zoviana amin’ny maro intsony ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Mpandraharaha izy nialoha ny nidirany teo amin’ny tontolo politika ny taona 1999 naha ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny tenany.

Lasa filohan’ny Repoblika kosa taorian’ny fifidianana ny volana desambra 2001. Nitondra an’i Madagasikara ny lehilahy hatramin’ny volana martsa 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana. Mijoro ho olom-panjakana hatrany i Dada manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Azony natao tsara, ohatra, ny nijanona nanorim-ponenana tany ivelany taorian’ny fandaozany an’i Madagasikara. Nanapa-kevitra ny hody eto an-tanindrazana anefa i Dadavalo na nisy aza ny didim-pitsarana nanenjehana azy. Tsy nitsahatra ny nikaroka vahaolana ho fampandrosoana an’i Madagasikara rahateo ny tenany na dia tsy eo amin’ny fitondrana intsony aza. Porofon’izany ny mbola fahavononany hanala ny fiarahamonina malagasy ao anatin’ny fahasahiranana lalim-paka ankehitriny ka nanambarany ampahibemaso ny maha kandida filoham-pirenena azy amin’ny fifidianana manaraka. Manaja tanteraka ny safidim-bahoaka sy ny Lalàmpanorenana rahateo ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara amin’ny maha legalista azy. Nihatra taminy ny fanonganam-panjakana ary fantany tsara ny voka-dratsin’izany ho an’ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Matoa misy ny olana dia tsy maintsy misy ny vahaolana, hoy hatrany i Marc Ravalomanana, ary ny tsirairay dia tokony hitondra ny anajara birikiny amin’io vahaolana io fa tsy mijanona ho olana. Efa natokany hanompoana ny firenena sy ny vahoaka Malagasy rahateo ny tombon’androm-piainany, araka ny nambarany ombieny ombieny.


Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT