Actualités

Rava ny “bande des 4” Maty voatifitra i “Njaka Kely”, zanaka jeneraly


  • Zoma 20 Jolay 2012

Efa ho telo volana eo izao no nanjakazaka tao Toamasina ireo jiolahy tariky ny «Bande des 04».

 Tsy nitazam-potsiny tao anatin’izay ny mpitandro ny filaminana. Somary nangina izy ireo iray volana izay, nanao ny tetika rehetra hahazoana ity andian-jiolahy ity. Efa andro maromaro no naraha-maso ireto olona voatondro ho jiolahy efatra mpitam-basy ireto. Nisy vokany ny asa nataon’ny mpitandro ny filaminana ny alarobia tokony tamin’ny 8 ora alina. Maty voatifitra ilay lehiben’ny jiolahy antsoina hoe «Njaka Kely». Tsy nahitana kara-panondro ity farany tamin’ny fotoana nahalavo azy, saingy raha ny vaovao nangonina teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be dia zanaka jeneraly izy io. Nisy koa olona telo hafa voasambotra niaraka taminy, ary mandalo fanadihadian’ny polisy misahana ny heloka be vava ankehitriny.

Raha ny fanazavan’ny Talen’ny filaminana anatiny ao Toamasina, ny Jly polisy Rakotoarisoa Jean Yves, izay nohamafisin’ny komandan’ny Hery Vonjy Taitra ny polisy (FIP), ny Officier principal Rafaliarivo Jules izay nanao ny «opération», fa “efa andro maromaro no nanaraha-maso ity «Njaka Kely» ity noho izy voatonon’ireo jiolahy roa lahy voasambotra taorian’ny fanapoahana basy maromaro tao amin’ny «Gare Routière» ny alatsinainy vao maraim-be, ka ny iray mbola nahatrarana basy PA 9mm sy bala efatra laharana 77 (2) – 76 – 81 samy misy ny soratra «...SF – I – 9mm». Nanomboka tao amina trano fisotroan-toaka ao amin’ny «Gare Routière» ny fanaraha-maso, nandalo ny hotely “Flamboyant» dia niverina tany amin’ny CRJS ary nihazo an’ny hopitaly kely. Teo amin’ity toerana farany ity no raikitra ny fanakanana azy efa-dahy tamin’ny fiara, nefa i «Njaka Kely» avy hatrany dia nitifitra ka nitefoka teo amin’ny faritra nisy ny komandan’ny FIP ny bala efatra ary ny roa teo amin’ny mpamily. Ity farany no voa teo amin’ny sandriny havanana fa ny Officier Rafaliarivo Jules kosa tsy naninona.

Raikitra teo ny fifampitifirana satria nandositra nihazo ilay faritra maizina miditra ny CAPR iny ireo jiolahy ary tamin’izay no nahavoa ny bala an’i “Njaka Kely” ka nahalavo azy, ireo namany kosa nanaiky ny nitolo-batana dia nosamborina avy hatrany hanaovana ny fanadihadiana lalina”. Tratra tany aminy ny basy PA “UNIQUE 7,65mm” izay basy fampiasan’ny tafika. Mbola nisy bala telo tao anatiny. Araka ny fanazavana dia isaky ny misy fahatapahan-jiro ao Toamasina no manafika ity “Bande des 4” ity. Ny vokatry ny fanadihadiana anefa no hahalalana raha misy ifandraisany izany.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT