Actualités

Ratsivahiny , Dadan’i Brayan « Tsy ekeko ny fikitikitihana an-janako »


  • Alarobia 23 Febroary 2022

Tsy nijanona tamin’ny fifamaliana ny alatsinainy teo ny raharaha Depiote Andry Ratsivahiny na Dadan’i Bryan sy ilay mpampianatra taranja ara-panatanjahantena (EPS),

 fa niezaka nitondra fanazavana teo anatrehan’ny toe-draharaha izay niteraka resabe io olom-boafidy teny amin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano io omaly. "Andry Ratsivahiny dia tsy mpanao tsindrio fa lavo izany, ny fikitikihana an-janako kosa tsy ekeko. Noho ny fahatairako sy amin'ny maha Raim-pianakaviana ahy no nanaovako ireny. Efa matetika no manana olana ara-pahasalamana i Brayan ary misy taratasy mazava amin'ny Dokotera izany, hoy ny Depiote Andry Ratsivahiny. Ialana tsiny raha ohatra ka ao anatin’ny fo ranomafana. Na inona na inona zava-misy ny Raim-pianankaviana dia tsy maintsy hiaro ny zanany, hoy io depiote io. Somary mampametra-panontaniana kosa hoe: tsy tokony efa tany aloha na nandritra ny fifanazavana teo aminy sy ilay mpampianatra ny alatsinainy teo ve no naseho izany, na koa nampahafantarina hatry ny ela tany amin’ny tompon’andraikitry ny sekoly? Momba ny horonan-tsary, “Assumé”-ko ny zavatra nataoko tamin'ny fakana “vidéo” sy nandefa azy teto amin'ny Facebook. Betsaka ihany koa ireo naka “vidéo” ary matahotra aho sao ny an'izy ireo no lasa aloha ka mety havadiny zavatra hafa izany”, hoy hatrany i Andry Ratsivahiny. Mikasika ilay antso natao tamin’ny minisitra kosa, “tokony homena fiofanana sy mahay “premier soins” ny mpampianatra EPS hialana amin'ny ankizy maty eo am-panaovana izany, izay no niantsoaka ny Minisitra mba hijery ny zavamisy" hoy ny Dadan'i Brayan na Depiote Andry Ratsivahiny, raha nitafa tamin'ireo mpanao gazety omaly.


Tetsy andaniny, naneho Atoa Randriamanendrika Anjarasoa ilay mpampianatra EPS hoe : "26 taona nampianarana aho fa vao sambany no sendra izany hoe Raiamandreny tonga nanohitra ny fomba fampianarako teny am-panaovana fanatanjahantena”.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT