Actualités

Ratsirahonana Norbert Lala Voarefy ny fitiavan’ny olona azy


  • Talata 10 Aprily 2012

Nahoraka be ny faran'ny herinandro teo fa hoe nodimandry Ratsirahonana Norbert Lala, filoha mpanorina ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana) sady mpanolotsaina manokan’i Andry Rajoelina.

Tsy marina ary tsy mitombina io vaovao io, araka ny resaka nifanaovana tamin'ny tompon'andraikitra iray avy ao amin'ity antoko AVI ity ny sabotsy tolakandro teo. Ny sabotsy hariva ihany koa dia mbola nanamafy ny minisitry ny fahasalamana, Dr Ndahimananjara Johanita, izay olon'ny AVI, fa manaraka fitsaboana sy fanaraha-maso ny fahasalamany any amin'ny Nosy La Réunion Atoa Ratsirahonana, ary diso ny filazana fa nodimandry izy. Raha ny fahitan-dRamaroson Laurent, mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny AVI, kosa dia ireo Malagasy sasany mila ravinahitra atsy La Réunion no mety nanaparitaka io tsaho io. Nisy tamin'izy ireo mantsy, araka ny filazany, no nivorivory teo ivelan'ny hopitaly nisy ny filoha nasionalin'ny AVI.

Nikorapaka : Na izany aza anefa dia hita ho nikorapaka ihany ireo mpira-dia amin-dRatsirahonana ny sabotsy teo raha nahare io vaovao niely tamin'ny tranonkala sy teto an-drenivohitra io. Ny mpandinika politika koa dia mahita fa azo nandrefesana ny mbola mety ho fitiavan’ny olona an-dRatsirahonana Norbert Lala iny tranga iny.
Fanaraha-maso ny toe-pahasalamany moa no voalaza fa anton-dian-dRatsirahonana Norbert Lala atsy amin'ny Nosy La Réunion. Tsy misy kosa ny fanambarana amin'ny fomba ofisialy ny aretina mahazo azy, fa raha ny tsiliantsofina re dia misy izy ireo milaza fa "calcul renal", fisiana zavatra mamatovato any amin’ny voa, no mahavoa azy. Toa hoe efa nisy ny karazana fitsaboana natao taminy mikasika an’io tany ivelany dia niverina teto Madagasikara izy, saingy izao naverina maika any La Réunion izao indray. Manara-dia azy any an-toerana moa ny mpitsabo azy manokana sy ny zanany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT