Nahavory sady nahaliana olona tokoa ny famelabelaran-kevitra nataon’ny FMI Malagasy notarihan’ny filohany, Ratsietison Jean Jacques teny Faravohitra ny sabotsy lasa teo.
Nohazavainy tamin’ireo mpanotrona sady naranty tamin’ny solaitrabe ny tena dikan’ny FMI Malagasy na ny Fahefa-Mividy Izao no takian’ny Malagasy. Mila fahefa-mividy mifanaraka amin’ny toetrandro iainana ny vahoaka Malagasy fa tsy tokony hiaina amin’ny tsy fahampiana lava izao. Ny fotokevitra ijoroan’ny FMI Malagasy dia mifototra amin-javatra roa loha dia ny fanafoanana ny MID na “Marché Interbancaire de Devises” sy ny fampakarana 100% ny sandan’ny vola Ariary ary dia hampiharina amin’izay ny maribola tsy miovaova eto amintsika. Azo atao tsara ao anatin’ny 24 ora izany, hoy Ratsietison Jean Jacques, satria amin’ny alalan’ny didim-panjakana fotsiny dia vita. « Sahinay ny milaza fa ao anatin’ny iray andro monja raha izay no tanteraka dia hihena antsasany ny fahantran’ny Malagasy », hoy hatrany Ratsietison Jean Jacques. Efa natolotray ny fitondrana tamin’ny andron’ny tetezamita farany teo io hevitra io, hoy izy. Ny 80 % -n’ireo CST tamin’izany fotoana no efa nanaiky fa olona roa ihany no sakana tsy nampiharana azy dia ny filohan’ny Tetezamita sy ny minisitry ny volany izay lasa Filoham-pirenena ankehitriny, hoy Atoa Ratsietison. Azo antoka fa tsy ho vonona hiroso amin’io hevitra io izy. « Aiza ho aiza ao anatin’izany ny fanomezan-tanana takian’ity Filohantsika amin’ny Malagasy ity ? », hoy izy. Mety ho kabary an-tany efitra ihany, araka izany, ity htaheta ity
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.