Ratovondrahona Guy Richard

> Notolorana «Grand Officier de l’Ordre National Malagasy»


  • Sabotsy 14 Septambra 2013


Nitohana izay tsy izy ny fifamoivoizan’ny fiarakodia teny Antaninarenina sy ny manodidina omaly antoandro, fotoana nanomezam-boninahitra farany ny governora mpisolo toerana sady Tale jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara Ratovondrahona Guy Richard, izay nindaosin’ny fahafatesana tampoka teo amin’ny faha-67 taonany ny alatsinainy 09 septambra lasa teo. Nisy ny vavaka fangataham-pitahiana ho an’ny fialantsasatry ny fanahiny notontosaina tao amin’ny EKAR Ambatonilita nialoha ny nametrahana ny nofo mangatsiakany teny Manjaka Ilafy. Nitarika ny solontenam-panjakana ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina mivady, misy rohim-pianakaviana amin’ireto farany rahateo ny maty. Tonga maro koa ny fianakaviamben’ny mpiasan’ny banky. Notoloran’ny fitondrana mari-boninahi-pirenena «Grand Officier de l’Ordre National Malagasy» izy noho ny asa vitany ho an’ny firenena, sy ny niasany telopolo taona teo anivon’ny Banky Foibe.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT