Marisarisa ny resa-panabeazana eto amintsika ankehitriny, hoy Atoa Ratoejanahary Doudou Tale jeneralin’ny Vondrona Arcade, saingy mampalahelo fa tsy mba misy akory ny fiantsoana an’ireo manana traikefa amin’ity sehatra ity hitondrana vahaolana amin’izany.
Nilaza izy fa ny fanagasiana no fampianarana mora azon’ny mpianatra indrindra ary tsy ratsy mihitsy fa ny fomba nitondrana azy teto amintsika no tsy nety. Mila fandaminan-drafitra manomboka any amin’ny garabola ka hatreny amin’ny Anjerimanontolo ny fanatontosana ny fampianarana manontolo. Atao amin’ny teny Malagasy ny fampianarana saingy tsy maintsy mahay teny frantsay sy anglisy tsara koa ny kilonga vao manomboka any amin’ny garabola. Mila hampiharina ara-bakiteny eto amintsika ilay teny malaza hoe : “ Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko ”.
Ny tena olana eto amintsika dia ny resaka mpampianatra, hoy Atoa Ratoejanahary Doudou. Tsy mety mamonjy ny toerana hanendrena azy any amin’ny toerana lavitra ny renivohitra ireo mpampianatra manana traikefa amin’ny fampianarana ka voatery mampiditra ireo mpampianatra FRAM tsy mahafehy ny pedagôjia na dia manana ny diplaoma bakalôrea aza. Mila averina tanteraka ny “Inspecteur” mpampiofana ary mpanara-maso ny fizotran’ny fampianarana manerana ny Nosy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.