Actualités

Rasolosoa Dolin Rehefa tsy tafavoaka mihitsy vao dinihana ny soso-kevitry ny GIC-M


  • Alarobia 24 Jolay 2013

Ho an’ny jeneraly Rasolosoa Dolin, filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, dia tsy misy afa-tsy ny fiainana ny soatoavina Malagasy dia ny fifampiresahana no lalana mitondra vahaolana ho an’i Madagasikara.

Aminy dia mila mikaondoha indray mandeha farany ireo tomponandraikitra rehetra eto amin’ny firenena miaraka amin’ireo mpanao sonia ny tondrozotra, ireo kandida, ny FFKM. Ao anatin’izany fivoriana izany no andinihana tsirairay ireo heverina fa sakana. “Eken’ny rehetra ve ny firotsahan’ny kandida 3 ? Raha eny dia ho zakan’ny enti-manan’ny fanjakana ve ny fifidianana tsy misy ny GIC-M ? Hahazo fankatoavana ve isika amin’izay ? Rehefa tsy tafavoaka amin’ireo soso-kevitra isan-karazany ireo isika dia tsy manan-tsafidy ka tsy maintsy aroso atao lahadinika ao anatin’ilay fikaonandoha ny soso-kevitra 7 avy amin’ny GIC- M”, araka ny hevitry ny jeneraly Rasolosoa Dolin. Nanao veloma azy moa ny masoivohon’ny Rosia izay handao an’i Madagasikara tsy ho ela rehefa niasa sy nonina teto hatramin’ny taona 2006.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT