Actualités

Rasolofo René «Tsy fampiseho masoandro ny fanesorana CST nataon-dRajoelina»


  • Alakamisy 18 Jolay 2013

Zavatra tsy fanao n’aiza n’aiza eran-tany sy tsy fampiseho masoandro no ataon’izao fitondrana tetezamita tarihan-dRajoelina izao ka nihatra taminay CST vitsivitsy teo aloha, hoy Atoa Rasolofo René, ary dia miendrika fanaovana halako bika tsy tiako tarehy tsotra izao.

Nantsoina hiatrika fivoriana ara-potoana izahay nefa dia ao anatin’ny fiatrehana izany fivoriana izany indrindra  no noesorina tamin’ny toerana nisy anay. Ary ilay didy navoaka indray tamin’izany dia sady tsy nandalo filankevitry ny governemanta no tsy nandalo filankevitry ny minisitra akory fa dia fanapahan-kevitra bontolo fotsiny izao. Satria ve tsy mitovy hevitra dia fanesorana avy hatrany no setriny ? Tsy kivy izahay fa ny anay efa hatrany am-bohoka ny demokrasia no niainana. Hisy fiantraikany amin’ireo Parlemantera nanao fanadihadiana koa ny fanesorana anay CST filohana kaomisiona isan-tokony ka ahiana mbola hanjakazaka ny fahalovana sy ny risoriso amin’ireo sehatra nirosoana ireo, hoy hatrany Rasolofo René.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT