Rasoaniaina Malalatiana

> “Mitohy ny tolona”


  • Zoma 04 Oktobra 2013

Resaka nifanaovana tamin-dRamatoa Rasoaniaina Malalatiana Filoha Nasionalin’ny Vehivavy MFM sady Kandidŕ ho Solombavambahoaka eny Atsimondrano.

Tia Tanindrazana (T.T) : Voafidy ho Filoha Nasionalin’ny Vehivavy MFM ianao tamin’ny Vovonana MFM ny 19-21 Septambra 2013 farany teo. Inona no azonao lazaina mikasika an’izay ?
Rasoaniaina Malalatiana (RM)
: Ny Vovonana no ambaratonga faratampony amin’ny Antoko MFM. Tonga nanatrika izany ny vehivavy avy amin’ny Faritra 19 sy Distrika 83. Tamin’ny fomba demokratika no nahalany ho Filoha Nasionalin’ny Vehivavy MFM ny tenako.

T.T : Toa inona avy ny dingana nolalovanao ka nahatonga anao ho Filoha Nasionaly toy izao ?
R.M: Efa nolalovako avokoa ny ambaratonga rehetra misy ao anatin’ny rafitry ny Antoko MFM nanomboka hatrany amin’ny Fototra (Fokontany), Toko (Kaominina) sy Biraon’ny Vondrona Atsimondrano (Distrika) ary nandrindra ny Vehivavy MFM Analamanga no nisy ahy farany talohan’ny naha Filoha Nasionaly ny Vehivavy MFM.

T.T : Nanao ahoana ny fisehon’ny fifaninanana tamin’izany ?
R.M :
Fifidianana no mametraka izany Filoha Nasionalin’ny Vehivavy MFM izany ary ny Vovonana no manapaka izany.

T.T : Dingana lehibe ho anao izany. Heno fa anisan’ny Kandidà mpifaninana hilatsaka ho Solombavambahoaka eny amin’ny Distrikan’Atsimondrano ianao. Ahoana indray ny hiatrehanao izany manoloana ireo mpifaninana marobe ?
R.M :
Marina izany ! Mbola mitohy ny tolona. Tao anatin’ny tolom-bahoaka no nahafantaran’ny olona ahy, indrindra fa tamin’ny fanoherana ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 sy nitakiana ny hiverenana amin’ny ara-dalàna ary indrindra ny fiarovana ny safidim-bahoaka dia ny Filoha Ravalomanana ka izao tsy mbola mivadi-belirano aminy izao ny amin’ny fanarahana ny toromarika avy aminy dia ny fanohanana ny Kandidà Robinson Jean Louis.

T.T : Tena tsy laitra hozongozonina tokoa ianao amin’izay foto-kevitrao izay ?
R.M :
Ka izay no nahatonga ahy hilatsaka hofidiana ho Solombavambahoaka toy izao. Ny nitaizana anay tao amin’ny Antoko MFM dia ny fijoroana amin’ny foto-kevitra ka aleo miditra anaty fanjakana mihitsy amin’ity indray mitoraka ity mba hitantana sy handray andraikitra fa tsy hitazam-potsiny ny toe-java-misy.

T.T : Ka amin’ny alalan’ny Antoko MFM no nilatsahanao. Fa maninona no tsy amin’ny alalan’ny Ankolafy Ravalomanana ?
R.M:
Midika ho hakanosana amiko ny tsy fisehoana amin’ny alalan’ny Antoko na ny Fikambanana izay misy anao. Ny Antoko MFM anie ka ao anatin’ny Ankolafy Ravalomanana ary diso fantatry ny olona rehetra izany

T.T : Ahoana ny mety ny ho fandresen-dahatra ny mpifidy amin’izany ?
R.M :
Efa natao teto taorian’ny Tolom-bahoaka 2002 ny fampiasana ny Firaisankinam-pirenena ary maro ny Solombavambahoaka lany tamin’izany saingy loza no naterany fa zary fialokalofana fotsiny ilay izy ka ny sasany amin’izy ireo aza lasa nanongana ny Filoha Ravalomanana tamin’ny 2009 niaraka tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena tamin’izany sy izay rehetra nanaiky fifampiraharahana tamin’ny Mpanongam-panjakana ka nampitarazoka ny famahana ny krizy hatramin’izao.

T.T : Mazava ho azy izany. Ka inona ary ny teninao farany ?
R.M :
Mbola mitohy ny tolona izay hiadiana amin’ny mpanongam-panjakana sy ny Frantsay ary ny saribakoliny. Ka apetrako amin’ny Vahoakan’Atsimondrano ny mijery izay Olona hametrahany fitokisana amin’izao fifidianana izao.

T.M

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT