Rasambozafy Cyrille

> Miantso ny Bianco hanadihady ny fividianana depiote


  • Zoma 28 Febroary 2014


Ho fampiharana ny tany tan-dalàna eto Madagasikara dia takianay, hoy Rasambozafy Cyrille mpiara-mitantana ny Fikambanan’ny Maintimolalin’ny Oniversiten’i Madagasikara na AAUM, ny fampiharana ny “mandat impératif” eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ka horoahina izay solombavambahoaka tsy manaja izany fa mifindrafindra toerana manao fitan-droa. Notsiahiviny fa efa nihoatra ny 90 ireo solombavambahoaka vita fifanarahana an-taratasy, nilaza ny fiarahany tamin’ny MAPAR teny amin’ny Hotely Paon d’or Ivato, vao herinandro vitsy izay. Rehefa tonga teny Tsimbazaza anefa dia 75 sisa no nandany ny filohan’ny Antenimiera avy ao amin’io vondrona io. Tsy hita sahady izany ny 15 tamin’ireo nanao sonia. Novakian’ny PMP bantsilana koa fa depiote 95 no nanasonia ny fanolorana ny Dr Jules Etienne ho praiminisitra. Ny alarobia teo indray anefa dia mbola nisy depiote 75 niara-nivory tamin’ny MAPAR tao Tsimbazaza, araka ny filazan’ny mpitantana azy. Ankehitriny, rehefa nivoaka tao amin’ny efitrano fivorian’ny Antenimieram-pirenena koa ry zareo dia heno fa niara-nivory tamin’ny PMP teny Ankorondrano indray. Araka izany dia tena mahamaika ho anay AAUM, hoy Rasambozafy Cyrille, ny tokony hanaovan’ny Bianco fanadihadiana ao amin’io andrim-panjakana io mba hanazavana ny resabe nandeha nikasika ny fividianana vato tamin’ny karazam-pifidianana tao sy ny fitsipahan’ny depiote sasany ny voalaza ho soniany, tamin’ny fanoloran’ny PMP praiminisitra teo.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT