Actualités

RAS-Ampahibe Raikitra indray ny «alerte» tanaty Toby


  • Talata 09 Aogositra 2011

Ny alin’ny alakamisy teo, manodidina ny tamin’ny sivy ora, no notairina ny miaramila rehetra tao amin’ny RAS Ampahibe ary nohamafisina avy hatrany ny fiambenana ny Toby.

 Raha araka ny fantatra dia nisy andian’olona saika haka ny fiara mifono vy tao anaty toby tamin’io fotoana io. Io dia heverina ho olona avy ao anatiny ihany no mety ho efa nikononkonona an’izany. Tsy raikitra anefa izany rehefa nisy nampandre tampoka ny lehiben’ny Toby izay naka fepetra avy hatrany. Samy nandray basy avokoa izay miaramila rehetra tao anatiny ary niambina ny toby hatramin’ny marain’andro. Iza no ao ambadik’izao toe-javatra miendrika fanakorontanana Toby miaramila izao ? Raha ny zava-nisy aloha dia tsy vao voalohany akory no nisy fisehoan-javatra tsy mifanalavitra amin’izao tao amin’ity Rezimantan’ny Andry sy Tohana eny Ampahibe ity. Izy hatrany no matetika ataon’ny sasany lasibatra raha vao misy ny fikasana haka Toby.

Efa misy ny anarana mandehandeha amin’izao ny momba io fikasan-dratsy io. Ny tsy fantatra kosa anefa dia ny mety hisian’ny fanadihadiana na tsia, satria toa nafenina be ny zava-niseho. Mpitondra izay efa nesorina teo anivon’ny FAT no voalaza fa ao ambadiky ny raharaha. Efa vitany ny nandresy lahatra ny miaramila sasany, raha araka ny feo mandeha sy ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana, mba hiara-dia aminy momba ny fikasana haka ny Toby. Tsy tontosa izany satria toa notsipahin’ireo miaramila tany amin’ny segondra farany ny toromarika rehetra. Hisy fanadihadiana ve sa tsia ? Andrasana ny mety ho valin’izany...

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT