Rarivoarison Frédéric

> “Tsy ity fifidianana ity velively no hampifarana ny krizy”


  • Zoma 11 Oktobra 2013

Rarivoarison Frédéric, Mpandrindram-paritra MFM Vakinankaratra sady Kandidà Solombavambahoaka ao Antsirabe I no vahinin’ny Sokela anio. Tsy ity fifidianana ity velively no hampifarana ny krizy, hoy izy, fa mbola hitohy ny tolona.

 

Tia Tanindrazana (T.T) : Diso fantatry ny olona ao Antsirabe ianao, Rarivoarison Frédéric, noho ny fandraisanao micro ho fanentanana ny mpitolona legalista tao amin’ny Magro Avaratsena nandritra izay dimy taona latsaka kely naharetan’ny krizy izay. «Monsieur» na «Raiamandreny» no niantsoana anao fa tsy mba «CST» na «CT» na “prezidà” tahaka ireo namanao. Nahoana ianao no naharitra tsy nisy tambiny sy voninahitra tahaka izany ?

Rarivoarison Frédéric (RF) : Naharitra hoe ? Vao ampahavalon’ny fotoana naharetako tao anaty antoko MFM, izay mankalaza ny tsingerintaona fahefapolo nijoroany anie izay dimy taona izay e ! Raha fintinina dia maro ny mampiavaka ity MFM ity. Hita teo amina fihetseham-bahoaka anoherana fanjanahantany sy fanjakazakana foana izy, tolokeviny ny maro tamin’ny fiovam-penitra lehibe teto amin’ny firenena hatreto, nanohitra tamin’ny fomba hentitra ny fandatsahan-dra vahoaka hatrany izy, tsangan-kevitra ny azy no tompoina fa tsy tsangan’olona…Dia nifanitsy tamin’izay ny toetra sy hevitra nasehoko teo an-kianja : adidy iondrehana ny ahy, ka nahatonga ahy haka toerana any aoriana sy an-tsisiny an-kavanana rehefa ery amin’ny toeran’ny mpanentana tolona.

 

 

TT : MFM ianao nefa tsy ny olona rehetra no mahalala ny fisian’ny MFM tao amin’ny Magro. Nahoana re no tsy nanao praopagandin’ny MFM ianao raha nahazo micro?

RF : Tsy ny MFM no tompon’ny tolona. Mpanentana tolona ihany izy eran’ny Nosy. Ny vahoaka mpankafy fandrosoana anaty fahaleovantena no tompony. Fantatry ny olona ho azy eny ny MFM rehefa mifampitaiza amin’ny tsara aminy, indrindra rahefa tsy mamadika azy.

 

 

TT : Tadidin’ny olona indrindra amin’izay fiteninao tamin’ny micro ny hoe : “raha mbola misy olona iray eto amin’ny Magro, dia ho eo anilany aho”. Nahoana re ?

RF : Feno efapolo taona ny MFM, ary efatra amby enimpolo ny tenako. Tokony ho efa matotra izany. Ny matotra anefa tsy mitsoa-pahana, tsy mamadika ny namany, tsy manary azy an-kasarotana. Izay no tsy hamadihan’ny MFM na oviana an-dRavalomanana. Soa izy nifanaraka taminay –na nailik’ireo olona nanodidina azy aza izahay- ka ahoana no hanarianay azy an-karatsiana? Hamadika azy noho ny vola ve ? Fitiavan’ny sasany vola anie no nampiongana ny Prezidà Ravalomanana e ! Olona maro teo anilany no nisakana azy tsy hody an-tanindrazana, olom-boafidy am-polony maro tamin’ny antoko naoriny no niara-dia tamin’ny mpanongam-panjakana sy mpivarotra tanindrazana ankehitriny. Fa ny MFM sy ny vahoaka mankamamy fandrosoana, nefa samy tany ivelan’ny lapa, tsy hanary azy.

 

 

TT : Miteny olom-boafidy ianao, hirotsaka hofidina depiote ve ianao amin’ity hanarenanao ny nanadinoan’ny sasany anao tamin’ny fanendren’ny ankolafy Ravalomanana CT avy ao Antsirabe ? Ary misy ve ny hiatrehana praopagandy ?

RF : Tsy ity fifidianana ity velively no hampifarana ny krizy. Noho izany mbola hitohy ny tolona. Ka raha tsy maintsy any Tsimbazaza no toerana tsara hanohizana azy, ahoana aho no tsy hifaninana ho any ? Ao hatrizay no tena mitosatosaka ny vola fividianana safidy. Ka raha ny tia vola sy ny mpampidera vola no havela ho maro an’isa any, dia ho lafo ambongadiny amin’izay ny vahoaka sy ny firenena. Adidiko izany ny mirotsaka hofidina depiote ao Antsirabe I, amin’ny anaran’ny MFM-Mouvance Ravalomanana. Na dia hanatanterahana ny famerenana “araka ny lalàna” ny Prezidà Ravalomanana ihany aza aloha.

Ny propagandy anie efa vita nandritra izay dimy taona izay e ! Tsy izao koa aho vao ndeha hampahafanta-tena. Mpiasa amin’arivony tamina orinasa lehibe eto Antsirabe no mahalala ahy ho mpitari-tolona (fa “avereno avereno Ramaro sy Rivo” no hirahiranay) tamin’ny 1978. Vao haingana, mpianatra an-jatony no nampianariko “géopolitique” tamina sekoly iray eto Antsirabe. Praopagandy ? Raha rentirenty sy hanin-kely no ndeha hamitahako vahoaka mpifidy, inona no tsy nanarahako ny Foza sy mpanjanatany hatrizay ?

Ireto no teny fanainga harosoko ny mpifidy eto Antsirabe I : Tsy hamadika ny fireneko aho rahefa depiote satria ny MFM tsy mivadi-belirano ; adidy iantsorohana ny anay fa tsy voninahitra isatrohana.

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT