Actualités

Ranon’orana milatsaka mandritra ny 5 volana Tokony ho ampy ny tokantrano iray ao anatin’ny herintaona


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Ahiana mafy ny haintany eto amintsika afaka roa na telo taona eo ho eo. Ankoatra ny any amin’ny faritra Atsimon’ny

Nosy dia mety hiaina izany ihany koa isika eto an-drenivohitra antony manosika ireo manam-pahaizana maro samihafa hampianatra ny isam-baravarana mba hahay hitahiry ranon’orana. Raha hatontaly tokoa mantsy dia maharitra 5 volana eo ho eo ny ranon’orana latsaka eto amintsika mandritra ny taona iray, na dia tsy mirotsaka isan’andro aza izany. Mety sy ampy tsara ho an’ny isan-tokantrano misy olona manodidina ny 8 mianaka eo ho eo mandritra ny taona iray anefa izany raha voatahiry tsara fa tsy verivery fotsiny. Tsotra ny fomba hatao raha araka ny fantatra. Mandavaka lalina be toy ireny hanamboatra vovon-drano ireny ihany saingy tsy maintsy hasiana fiarovana kosa any amin’ny farany ambany ho fitandroana ny fahasalaman’ny mponina. Na ny filaharana eny amin’ny paompin-dranon’ny JIRAMA miaraka amin’ny bidon miloko mavo aza hoy ireo manam-pahaizana mety ho foana raha mahavita sy mahavatra izany ny isam-baravarana. Sady mampihena ny famoaham-bola ao an-tokantrano amin’ny fividianana rano moa ity teknika ity izay marihina fa efa mahatratra 400 Ar amin’izao ny iray bidon miloko mavo vao tonga any amin’ny tokantrano iray, miankina amin’ilay toerana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT