Actualités

Ranon’i Mamamba Hitsinjovana ny trondro tsy ho lany taranaka no anton’ilay fefy


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Niely teny amin’iny faritra Antehiroka sy ny manodidina iny ny feo fa namidin’ny kaominina ilay faritra mifefy ao anatin’ny reniranon’i Mamamba ankehitriny.

Sady tsy lasa fananan’olon-tokana toy ny vahiny anefa izany ampahany nofefena izany no tsy lasa fananan’ny kaominina ihany koa. Nandiso tanteraka io feo niely io ny Ben’ny tananan’ny kaominina Antehiroka Atoa Lalaina Vatosoa raha nanamafy ny fanazavany. Nambarany fa avy tamin’ny fangatahan’ireo mpanarato sy mpanjono mivondrona ao amin’ny fikambanana Loharanontsoa no antony nanosika ny kaominina hamefy io faritra voatokana io. Faritra natao hanatodizan’ny trondro io na ilay antsoina hoe : zone frait izy io, izay manaraka ny fenitra tokoa ho fampanjariana ny jono an-dranomamy. Mitokana no sady tsy misy mpanelingelina koa izy ary tsy azon’ireo mpanarato sy mpanjono kitihina ihany koa. Tanjona amin’izany ny tsy hahalany tamingana ireo trondro ao anatin’ity renirano ity. Toraka izany koa ny tsy hifangaroan’ireo trondro manatody sy tsy manatody izay mety miara-voaraokan’ny mpanjono sy ny mpanarato raha tsy misy fitandremana. Tsiahivina moa fa taorian’ny fiofanana natrehin’ireo mpanarato sy mpanjono no nanosika ny kaominina hanatanteraka ity tetikasa iray ity. Anisan’ny asa tanterahin’ny kaominina tsy mitsahatra ihany koa ny famatsiana zana-trondro isan-taona ny reniranon’i Mamamba. Iraisan’ny kaominina Ivato sy Antehiroka moa ny reniranon’i Mamamba raha tsiahivina.
Pati
Legende : Ilay faritra nofefena eo amin’ny reniranon’i Mamamba
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT