Actualités

Ranomasim-be Indianina Misy rivodoza miforona


  • Talata 08 Desambra 2020

Misy andro ratsy miforona ao amin’ny Ranomasimbe Indiana, hoy ny Sampan-

 

 

draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Any amin’ny maherin’ny 4.000 km Atsinanan’Antsiranana no misy ny foibeny. Mbola maivana ny heriny satria mitondra rivotra 46 Km/ora sy tafiotra manodidina ny 60 Km/ora. Mikisaka mianatsimo andrefana ny diany ka mahafaka 15 Km/ora. Vinavinaina ho lasa “Tempête Tropicale” ity andro ratsy ity anio Alatsinainy, hoy ny Meteo omaly. Manaraka izany, tombanana hivoatra any avaratr’ireo Nosy rahavavy (Mascareignes) ihany koa amin’ny tapany faharoa ny herinandro izy fa kosa hihena ny heriny. Hatreto, tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ity andro ratsy ity, hoy hatrany ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetry ny andro. Ity no filazam-baovao tokana mikasika azy raha tsy misy ny fiovana goavana, hoy io Sampan-draharaha io. Midika io, fa manomboka miforona ny rivo-doza, ka mila miomana amin’ny lafiny rehetra isika eto Madagasikara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT