Nitrangana haintrano goavana tao amin’ny tobin’ny zandary Ranomafana Ifanadiana afak’omaly tokony ho tamin’ny 10 ora atoandro.
Samy tsy nisy tao an-tokantranony ireo zandary sy ny ankohonany tamin’io fotoana io, raha araka ny fantatra. Tsy fantatra ihany koa izay nipoiran’ny afo fa ilay lelafo sy setroka be efa niparitaka no nanaitra ny rehetra. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany moa dia vita amin’ny hazo avokoa ireo trano ireo ka mora niitatra ny afo.Trano 2 noho izany no lasa lavenona tanteraka, 4 simba vokatry ny famoahana entana tao anatin’ny hamehana, 2 hafa voakasiky ny afo, saingy voavonjy ihany. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Tao anatin’ny ora iray sy sasany vao maty tanteraka ny afo nifanomezan’ny zandary sy ny fokonolona tanana. Misokatra ny fanadihadiana ny amin’ny antony nahatonga ny afo.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.