Tena mijaly ny mponina eny Andranonahoatra Itaosy ka hatrany amin’ny cité des assureurs. Miha mafy hatrany ny fitakian’ireo mponina eny Itaosy mikasika ny olan-drano eny an-toerana.
Raha nampihaiky volana azy ireo sy nila hampiteny maloto azy imasom-bahoaka mihitsy izany talohan’ny sabotsy teo dia nitohy tamin’ny fandorana kodiarana mihitsy indray ny marainan’iny sabotsy iny. Hita ho mihombo ny hatezeran’ireo mponina manoloana ny zava-misy. “Mila rano madio maika izahay”, “Aoka izay ny fampiesonana”, “Mijaly ny mponina”, santionan’ireo hikiaka sy sora-baventy teny Itaosy cite tamin’iny sabotsy iny ireo. Tonga nandamina ny toe-draharaha moa ny mpitandro filaminana ary mbola ilay rano efa maha ory ireo mponina ihany no mbola namonoana ny afo nandorana ireo kodiarana, raha ny hita teny an-toerana hatrany.Tsara ho marihina fa tapaka avokoa ny ankamaroan’ireo paompin-drano rehetra ka voatery nanenjika ireo olona manana vovon-drano ny isan-tokantrano. Novidiana hatrany amin’ny 500 Ar mihitsy ny rano iray bidon miloko mavo mandritra izany nahafahana nidio sy nahandro sakafo. Na izany aza dia voafetra ihany koa ireo olona afaka natsaka rano tamin’ny vovo teny amin’iny faritra iny. Maro arak’izany no tsy afaka nanasa lamba sy nahandro hanina. Rehefa mba niverina kely moa ny rano dia niloko mavo maloto izany no sady nisy fofona ihany koa ka nahavelon’ahiahy ny maro.
Pati sy J.Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.