Gaga ny iray fiangonana. Tsy hay izay nahazo an’ity rangahy iray 32 taona nalana devoly tamina fiangonana zandriny iray tany Toliara ny sabotsy teo. Nihinjitra be ny tenany ary latsaka hatramin’ny malotony izay nihosina tanteraka taminy.
Araka ny loharanom-baovao voaray dia nijoro vavolombelona tamin’ireo mpino tao amin’ity fiangonana sekta iray ity izy, fa mpisotro toaka be sy mpampijaly ny vady aman-janany, ka nangataka vavaka ny mba hialany amin’io. Namokovoko nivavaka ho azy ny iray fiangonana. Nandeha ny fanalana devoly, nanomboka nihetsika sy nihinjitrinjitra ilay raim-pianakaviana. Nitrosona tamin’ny tany izy, ary niholanolana tahaka ny bibilava. Nanomboka nivoaka farora-bava avy eo ary tsy nahatsiaro tena intsony, dia izao nihosina ny malotony izao nony farany.
Tamin’ny angom-baovao no nilazan’ny mpino sasany tao amin’ity fiangonana ity fa nahita ny endrik’ity lehilahy ity ho niova tahaka ny devoly misy tandroka raha nivoaka ny fanahy ratsiny. Ny alahady teo dia niverina nivavaka ny tenany ary nilaza fa nanomboka nihamaivana ny fiainany. Azoko antoka, hoy izy fa ho afaka amiko tanteraka ireo fanahy ratsy nangeja ahy hatramin’izay. Marihina fa ao Toliara ao dia mitsiry toy ny anana sy ahitra etsy sy eroa ny fiangonana sekta. Misy amin’ny mpitarika amin’izy ireny no manao fandemen-tsaina ny mpinony manangon-karena fotsiny. Na izany aza, misy sasany kosa maharesy lahatra olona, satria betsaka ny niala tamin’ny fahazaran-dratsy, ka lasa olom-baovao modelin’ny fiarahamonina.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.