Randrianasolo Nicolas

> “Tsy hisy zava-banona eto raha …”


  • Zoma 04 Oktobra 2013


Nampanontany tena ny maro tokoa tao ho ao ny amin’ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana eto amintsika ka anisan’izany ny aty amin’ny Distrikan’i Betroka, hoy Randrianasolo Nicolas saingy rehefa dinihana lalina dia tsy homen-tsiny izy ireo noho ny tsy fahampian’ny fitaovana eo am-pelatanana. Na izany aza, hoy ity mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita ity, rehefa olona homena andraikitra ve, indrindra zandary sy miaramila, dia tsy tokony afaka hikaroka hevitra hamahana ny olana mianjady ? Izy ireo koa na tsy ampy fiara hoenti-manenjika olon-dratsy aza tsy efa manana moto be dia be ve afahana mihetsika ? Mbola manao antso avo hatrany izahay, hoy ny MCT Randrianasolo Nicolas, amin’ny mpitondra mahefa hoe : mba jereo manokana ireo mpitandro ny filaminantsika ireo dia ho afaka tebiteby vahoaka, fa tsy ho azo antoka mihitsy ny hisian’ny fifidianana raha izao trangan-javatra miseho ankehitriny izao no mitohy. Tsy hisy zava-banona izany eto raha tsy misy fandriampahalemana.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT