Randrianarimalala Julien

> Mbola miantso ny hisin’ny fampihavanana hatrany


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2013

“Ity fifidianana filoham-pirenena teren-ko masaka toa voalobo-jaza ity dia tsy hitondra fitoniana eto amin’ny firenena satria tsy voahaja ny tondrozotra, sady tsy hangarahara no tsy halalaka ary tsy ho demokratika, ka ahiana hitondra ny firenena any amin’ny fahasahiranana indray”.

Io no nambaran-dRandrianarimalala Julien, mpandrindra ny Zanak’i Dada ao amin’ny Distrikan’Ambositra ny sabotsy 05 Oktobra 2013 raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany. Tsy misy filaminana eto raha tsy tanteraka ny fampihavanana ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra, ary raha ho tanteraka ihany ity fifidianana ity ka hisy ny filoham-pirenena ho lany eo dia tokony hataony laharam-pahamehana ny fampihavanana. Nanamafy ny fanohanana ny kandida Dr Robinson Jean Louis natolotry ny Avana ary tohanan’ny ankolafy Ravalomanana ny tenany, no nanentana ny vahoaka ao Amoron’i Mania hifidy io kandia laharana faha-33 io, satria io no filoha hahavita izany fampihavanana izany. Nitondra ny teny fampiononana feno ho an’ny fianakaviana Ravalomanana koa ny tenany tamin’ny fahalasanan’i Bebe Razay.

 

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT