Na dia efa tafapetraka soa aman-tsara aza ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Antenimieram-pirenena taorian’ny ireo fifidianana roa lehibe azo ambara fa hamoaka an’i Madagasikara amin’ny krizy politika izay efa naharitra dimy taona latsaka dia toa mbola manjavozavo be ihany ny lalan-kizoran’ny firenena malagasy ankehitriny. Ny hevitra moa tera-bary ary samy manana ny fomba fijeriny ny olom-pirenena. Nisy ny tafatafa nifanaovana tamin’ny minisitry ny Asam-panjakana sy ny Asa ary ny Lalŕna Sosialy teo aloha sady mpandrindra ny CRN (Conseil de Réconciliation Nationale) Randriamanantsoa Tabera. Resadresaka.
Tia Tanindrazana (TT) : Aiza ho aiza izao ny dingana vita momba ny fampihavanam-pirenena tianareo hahatongavana ?
Tabera Randriamanantsoa (TR) : Efa tamin’ny taona 2002 no nivoizan’ny filoha teo aloha Zafy Albert miaraka amin’ireo mpiara-dia aminy ny tokony hampijoroana ny «Comité de Reconciliation Nationale» rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny filoha Ravalomanana Marc. Tsy nipaka na tsy voaray araka ny tokony ho izy angamba ny foto-kevi-dehibe tianay naroso tamin’izany ka azo ambara fa tsy tafita ny hafatra. Tsy nahakivy anay anefa izany fa niezaka hatrany ireo mpikambana manohana io fomba fijery io nanazava ny sain’ny mpiara-belona ka nisy ny fidinana teny ifotony na dia tsy nanan-danja firy tamin’ny mpitondra aza izany.
TT : Fa inona marina moa ity hoe «fampihavanam-pirenena» voizinareo ity ?
TR : Ny atao hoe «fampihavanam-pirenena» dia tsy mionona fotsiny amin’ny famoahana ny gadra politika na koa ny fanokafana ireo haino aman-jery izay nakatona fa tena fomba fisainana mihitsy izay mifototra amin’ny fampijoroana ny antsoina hoe «Firenena», izany hoe tsy tokony hisy intsony izany Malagasy monina eto afovoantany sy ny Malagasy mipetraka any anindrana izany fa rehefa Malagasy dia Malagasy. Mba hahatongavana amin’izay tanjona lehibe izay dia mila apetraka eto amin’ny fiarahamonina malagasy ny tena fahamarinana ka amin’ny lafiny rehetra mihitsy fa tsy mijanona fotsiny eo amin’ny tontolo politika. Izany indrindra no nahatonga anay nandefa taratasy any amin’ny filoham-pirenena vaovao mba hivoaka ho didim-panjakana ny fananganana ny «Komity misahana ny Fampihavanam-pirenena» ka ho lasa rafitra mipetraka ato amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Ho anay manokana efa resy lahatra, ohatra, dia hisy ny loabary an-dasy miaraka amin’ireo solontena avy amin’ny Faritra 22 amin’ny alatsinainy 03 martsa 2014 izao ka hanangonana ireo hevitra rehetra mivoaka amin’io fotoana io. Hitsangana amin’io ihany koa ny CRN vehivavy. Fotoana ihany koa io hiresahanay ny raharaham-pirenena malagasy ankehitriny.
TT : Efa miresaka ny raharaham-pirenena ianao, ahoana ny fahitanao ny zava-misy ankehitriny ?
TR : Tiako ny manamarika fa ny ankolafy Zafy dia tsy miova amin’ny hevitra efa nijoroany hatramin’izay dia ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny fijerena ny olana ifotony izay miainga avy amin’ny Lalàmpanorenana. Ilain’ny Malagasy ny fifidianana Lalàna fototra tena eken’ny rehetra fa tsy mitondra filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena mihitsy ireo tery vay manta sy ny fanaovana amboletra tahaka ny nitranga tamin’ny fampandaniana tamin’ny fomba rehetra ny Lalàmpanorenana tamin’ny taona 2010 izay tsy eken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena rahateo. Ny tena mampalahelo amin’ny zava-misy anie dia toa fifidianan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena no nitranga teto ka tsy mahagaga ny zava-mitranga ankehitriny e ! Io izao dia hifandroritana ny fanendrena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta nefa adihevitra tsy mitombina amiko izy io satria ny tondrozotra no solon’ny Lalàmpanorenana antsika ankehitriny fa tsy ilay Lalàna fototra vonjy maika tamin’ny taona 2010. Raha izao zavatra iainantsika izao dia ahiana tanteraka ny hisian’ny krizy vaovao izay tena hanahirana antsika tokoa ny famahana azy.
TT : Hafatra farany avy aminao !
TR : Averiko eto indray fa tsy misy ny maha firenena antsika raha tsy tanterahana ny tena fampihavanam-pirenena izay miainga amin’ny tena fahamarinana eo amin’ny lafiny rehetra. Ny atao hoe firenena dia tsy misy intsony izany hoe Malagasy 18 foko izany fa rehefa Malagasy dia Malagasy.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.