Manao kobaka am-bava ireo kandidŕ telo amby telopolo mifaninana ho filoham-pirenena Malagasy, hoy Atoa Randriamanalina Jean Marc filoham-pokontanin’Anosizato Atsinanana faha-2 am-perinasa.
Kobaka am-bava, hoy izy, ny filazan’izy ireo fa hojerena amin’izay ny sosialim-bahoaka, hofoanana ny tsy fandriampahalemana ary hampiana ireo sahirana ara-pivelomana. Fa taiza izy ireo hatramin’izay no izao vao mahita ny fahasahiranan’ireo mpanasa lamba eny amoron’Ikopa sy eto amin’ny “bassin” ? Izao vao mahita ny fahasahiranan’ny mpitarika sarety ety aminay ? Ny adin-tsaina mahazo ny tanora ? Izahay teto anivon’ny fokontany, hoy Atoa Jean Marc, tao anatin’izay 4 taona mahery nitantanana izay dia tsy maintsy lany 2 000 hatramin’ny 5 000Ar isan’andro nomena ireo sahiran ara-pivelomana ety amin’ny fokontany izay tsy tapaky ny mangataka fanampiana hatramin’izao. Mba kajio kely amin’izany, hoy izy, ny laninay sy ny lanin’ireo kandidà mba manolotra tee-shirt sy savony kely sy zavatra hafa indray mandeha tsy miverina rehefa misy propagandy hamitahana ny vahoaka hangalana ny vatony. Izahay moa, hoy Atoa Randriamanalina Jean Marc, amin’ny maha olom-panjakana anay dia mijanona ho tsy momba ny atsy na ny aroa izahay ka tsy manana kandidà hotohanana (na Rabe, na Rakoto na Rasoa).
Izahay dia anisan’ireo filoham-pokontany manerana ny Nosy tsy nandray tambin-karamana nandritra ny fotoana naharitra nefa dia nanala hatrany fahasahiranan’ny vahoaka noho ny fitiavan-tanindrazana misy ao aminay. Naninona moa raha mba nirotsaka nitantana fokontany aloha ireo kandidà tsirairay avy ireo mba nijery ifotony ny fahasahiranam-bahoaka vao nilingilingy amin’io fitantanana firenena io ? Ny hitanay tany ivelany fony izahay mba nipetraka tany Frantsa tany, hoy izy, dia niainga tamin’ny fitantanana rafitra ifotony (departemanta), niakatra tamin’ny “région” ary nandalo parlemantera (solombavambahoaka na senatera) vao nirotsaka ho kandidà filoham-pirenena. Naninona izao raha mba nifanaraka ireo kandidà 33 ka nifampisafidy samy izy tao ary dia natolotra ny vahoaka teny anivon’ny fokontany miisy 18.400 manerana an’i Madagasikara ny “fond de propagande” 90 miliara tsirairay avy nampiasain’izy ireo ? Tena mandroso haingana i Madagasikara raha izay no natao, hoy izy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.