Tsy mahagaga raha mirongatra ny fitsaram-bahoaka raha ny trangan-javatra roa niseho tao an-drenivohitr’i Mangoro (Moramanga) fotsiny no asiantsika teny, hoy ny MCT Randriamamizafy Ignace.
Nisy lehilahy iray izay efa tsy afa-miteny firy intsony noho ny fahatapahana lalan-dra mahazo azy tao Amboasary Gara no noraofin’ny mpitandro ny filaminana fa hoe hatao famotorana any Moramanga. Nihombo anefa ny aretin’ity lehilahy ity rehefa tonga tany ka voatery nampidirina hopitaly izy ary dia navelan’ireo mpitandro ny filaminana tamin’ny havany nanaraka azy ny fikarakarana na dia ry zareo aza no naka azy tany amin’ny misy azy. Taorian’ny fitsaboana natao dia tsy nalaina ambavany intsony ilay lehilahy fa nasaina nody any Amboasary fa hoe tsy fantatra izay tena antony niantsoana azy. Ny tranga faharoa dia ny fidarohan’olona niseho tany Mandrota Andaingo ka nandratrana olona iray avy nivavaka andro alahady ka nahazoana taratasy tsy fahazoana miasa 30 andro avy amin’ny dokotera nizaha ny fahasalamany. Rehefa natao tao Moramanga anefa ny fitsarana ny raharaha ka nivoaka ny didim-pitsarana ny alakamisy teo dia afaka madiodio ilay olona nandratra. Tsy alahelo tsotra fotsiny no hita soritra teny amin’ireo vavolombelona nahita ny nitrangan’ny loza fa tena nivadika ho hatezerana navaivay saika tsy hay notohaina mihitsy. Tena an’ny fitsarana tokoa ny lalàna.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.