Resadresaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana manokana tamin’Andriamatoa Randriamahefa Benjamina filohan’ny fikambanana TAMIA na TAnora MIAntsehatra naoriny tamin’ny taona 2011 mikasika ny raharaham-pirenena sy ny sosialim-bahoaka.
Tia Tanindrazana (TT) : Inona no tena antony nananganana ity fikambanana TAMIA ity ?
Randriamahefa Benjamina (RB) : Ny antony nanapahan-kevitra dia ny fahitana ny tsy fetezan’ny fanaovana politika eto amintsika izay lasa kajikajy sy kitranoantrano ary ady tombontsoa manokana. Milaza izany aho satria ny tenako dia mpikambana tamina antoko iray lehibe eto amin’ny firenena no niala. Ho an’ny besinimaro no tanjona fa tsy an’olon-tokana na vondron’olona vitsivitsy. Izahay dia tsy manao politika nefa manan-jo haneho hevitra amin’ny maha olom-pirenena. Tsy mpitanisa olana ny TAMIA fa mpamaha izany ka izahay dia mahatsapa fa metimety kokoa ny tonga dia miasa mivantana toy ny nataonay hatramin’izay ho an’ireo sahirana sy marefo ara-pivelomana ireny fa tsy ho lany andro amin’ny fampanantenana lava toa volan-kakafotra.
TT : Iza no mamatsy vola anareo hanaovana ireny asa ireny ?
RB : Amin’ny ankapobeny dia ny latsakemboky ny mpikambana sy ny tsara sitrapo mitovy tarigetra amin’io manome tsy mitsy takalony io no miantoka. Tsy andrasana seza izany fa mila fifankatiavana, satria araka ny tenin’i Jesoa Kristy ao amin’ny Jaona 13: 34 manao hoe : “Didy vaovao no homeko anareo dia ny hifankatiavanareo”.
TT : Tafapaka any amin’ny vahoaka ve ny natao rehetra hatreto ?
RB : Amin’ny toerana aleha dia aseho amin’ny alalan’ny asa fifanampiana ilay ady amin’ny fitiavan-tena hoe : “iray rà, iray asa” dia asehonay amin’ny alalan’ny asa ny zavatra tianay hampitaina amin’ny rehetra. Ka na eo aza ny krizy, ny soatoavina Malagasy dia tsy voakasik’izany fitiavan-tena izany, fa mbola misy dia misy tokoa ny Malagasy afaka mifanampy anatin’ny sarotra.
TT : Tsy karazana asa vonjy tavanandro fotsiny ve ny ataonareo ?
RB : Amin’ny maha fikambanana mpanao asa soa anay dia miezaka izahay aloha manamaivana ny vesatry ny fiainan’ny mponina na dia indray andro monja aza, mba hanairana ny tompon’andraikitra mahefa eto amin’ny firenena fa misy ny Malagasy tsy an’asa, tsy misakafo, tsy afaka mitsabo tena eny amin’ny hopitaly. Ka manao fanambarana izahay fa ny olan’ny mpanao politika no zakain’ny vahoaka fa tsy ny olan’ny vahoaka no vahan’ny mpanao politika. Tokony homen-danja anefa ity farany satria ho azy ireo no handoavan’ny Malagasy 20 tapitrisa hetra ka hanaingana ny tsara sitrapo rehetra izany.
TT : Tsy efa firosoana tsikelikely amin’ny fanaovana politika ve izao ataonareo izao ?
RB : Samy manana ny fahitany azy fa aminay ny mahamaika dia mila atsahatra eto amin’ity firenena ity ny fitiavantenan’ny mpanao politika. Mila miverina amin’Andriamanitra ny filaminan’ity firenena ity ka mba hahatsapa tena ny mpanao politika Malagasy.
TT : Efa tena fanehoan-kevitra politika izany ka naninona no tsy nilatsaka hofidiana ianao ?
RB : Maro tokoa ireo nihazakazaka nirotsaka ho kandida ho filoham-pirenena tamin’ity. Maro koa ireo nangataka anay hirotsaka. Tsy olana ho an’ny Tamia ny nandrotsaka ny filoha nasionaliny izay sady tanora no efa manana traikefa amin’ny fijerena ny sosialim-bahoaka. Izahay anefa tsy manana tanjona afa-tsy ny ady amin’ny fitiavan-tena. Amin’ny ankapobeny ny fahitanay azy dia tsy fitiavan-tanindrazana no nandrisika ireo kandidà ireo hirotsaka fa fitiavan-tseza, fitiavam-bola sy fitiavam-boninahitra. Rehefa nisy zavatra nanjo ny firenena ireny dia tsy hita ary tsy nahafoy, na vola, na fitaovana, na fotoana hijerena ny mpiray tanindrazana traboina ny ankamaroan’ireo mpilatsaka ireo. Fa ankehitriny dia mihazakazaka amin’ny fifaninanana fitadiavan-tseza.
TT : Ary inona ity fizarana Baiboly ataon’ny Tamia tato ho ato ity ?
RB : Ny Tamia dia fikambanana mpino, matahotra an’Andriamanitra sy miankohoka amin’i Jesoa Kristy ilay nomena ny fahefana rehetra sy efa nandresy ny fahafatesana. Ka mila miverina amin’Andriamanitra ilay hany manampahefana amin’ny voahary sy manaraka an’i Jesoa Kristy ny Malagasy raha te ho sambatra fa tsy misy hery hafa ambonin’io ary, hoy ny teny hoe “Sambatra izay firenena manana an’i Jehovah Tompon’ny maro ho Andriamaniny ”. Zarainay maimaimpoana ny Baiboly satria tsy maintsy taomina ny olona tsy hanao zavatra hafa fa io ihany no lalan-tokana hiverenan’ny filaminana ary dia ho rava ho azy ny fifankahalana, fisaratsarahana, fifandrafiana satria tsy ety ihany no fiainana ka izay manana an’i Jehovah Tompon’ny maro dia tsy hanaotao foana.
Nangonin’i Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.