Actualités

Randrana sendikaly “Efa ho 3 volana notanana am-ponja noho ny asa sendikaly i Sento”


  • Alarobia 23 Novambra 2022

Andro vitsy sisa dia feno 3 volana no nitazomana ny kamarady Sento tany am-ponja, noho ny asa sendikaly, hoy ny avy eo anivon’ny Randrana sendikaly omaly.

Niteny ny rafitra iraisampirenena momba ny asa na OIT, hoy izy ireo, hoe fanitsakitsahana ny fifanarahana iraisampirenena 87 sy 98 io ataonareo amin’i Sento. Nalefa ny taratasy tany amin’ny praiminisitra fa dia miziriziry eo. Tsy hay moa hoe inona no tiany hahatongavana fa dia mitohy aloha izany ny anay ny tolona. Ny zoma izao dia hisy ny diabe ho fanamarihana ny andro iraisampirenena amin’ny ady amin’ny herisetra anaty toeram-piasana. Hitaky indray isika hoe avoahay izao dieny izao i kamarady Sento! Inona indray no kononkononinareo ao amin’io CNaPS io? Ny raiamandreny tokony hisotro ronono hampisotroinareo tangena, ny Tsaradia ahoana ihany, ahoana indray ity resaka taratasy tsy misy ity dia hoe tsy omena fisy fanamarihana ny vola raisiny ireo raiamandreny? Izany rehetra izany iandrasana valiny daholo. Fa maninona no ovaina ilay paikady sa izay indray no hahafahana mangala-bola ao? Inona indray no kononkononina hamotehana ny CNaPS? Lazainareo fa ny mpanjifa foana anefa no omena lanja ao anatin’ilay fitantanana, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT