Ranaivoson Jean Désiré

> «Mbola fanompoana olona no politika misy eto»


  • Alakamisy 22 Aogositra 2013

Ilaina ny fanabeazana ny olona amin’ny lafiny politika eto Madagasikara, hoy Atoa Ranaivoson Jean Désiré, filoha nasionalin’ny PNJ Mazava raha niresaka tamin’ny mpanao gazety nandritra ny fandalovany tao Antsirabe.

Nambarany fa mbola fanompoana olona no mibahana amin’ny mpanao politika fa tsy fanohanana foto-kevitra ka izay no tsy mbola manpandroso antsika mihitsy hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena. Anisan’ny olana teto dia rehefa tsy eo na tsy hita ilay olona nanangana ny antoko politika dia manjavona ilay antoko na maty tanteraka. Midika izany fa lasa fananan’olon-tokana ny antoko politika ka olon-tokana dia afaka manova ny fanapahan-kevitry ny mpikambana rehetra na dia ny fivoriambe aza io, izay efa hita nitranga teto izany. Raha tsy misy izay fanompoana anaran’olonan-tokana izay teto Madagasikara dia efa ela no nivaha ny krizy, hoy ity mpanao politika ity, kanefa tsy an’olon-tokana ny fampandrosoana ny firenena fa an’ny daholobe. Fa milaza ho tsy manan-kambara amin’ny fanampahan-kevitry ny CES manala kandida farany teo ny tenany satria ara-dalàna sy nanaraka ny fepetra rehetra notakiana ny kandidà natolotr’izy ireo dia ingahy Rabetsaroana Sylvain ka tsy te hiditra lalina ny momba iny ny tenany. Ny CES, hoy Ranaivoson Jean Désiré, no tokony hanazava ny antsipirihany momba ny fanapahan-keviny nanala kandida. Manomana hetsika miaraka amin’ny mpanao kung-fu ao Vakinankaratra ny PNJ Mazava ny sabotsy 24 aogositra ho avy izao, ao amin’ny kianja Tsarasaotra.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT