Mpiaradia amin-dramatoa Roselina Emma Rasolovoahangy, kandida filoham-pirenena nahintsan’ny CES ny minisitry ny fahasalamana voalohan’ny FAT, Dr Ranaivoson Henri.
Izy mihitsy aza no nanomana ny dosien’i Roselina Emma Rasolovoahangy. Malahelo ny tenany noho ny fanilihana ity farany izay lazainy fa mahafeno ny fepetra rehetra takian’ny lalàna hirotsahana. Amin’ny Dr Ranaivoson Henri dia noho ny fahaizana indrindra momba ny fitrandrahana solitany sy ny hamaroan’ny olom-patany maneran-tany no antony nanalana azy. Manoloana io zava-misy tsy azo anoharana io dia tsy hifidy ity minisitra teo aloha ity satria fanitsakitsahana ny demokrasia raha ny heviny ny fanakanana ny vahoaka tsy haneho ny heviny malalaka ka mifidy izay tiany. Ankoatra izay dia manentana ny mpifidy rehetra tsy handatsa-bato koa ny tenany. Nohamafisiny fa fanehoan-keviny samirery izay tsy mahasaringotra an’i Roselina Emma Rasolovoahangy io nataony io. Ity farany izay nambarany koa fa efa manana paikady hampandrosoana an’i Madagasikara na dia tsy kandida intsony aza.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.