Mifanolana ny teratany Malagasy sy ny Sinoa samy mpandraharaha any Ramena-Toamasina II any, noho ny famotehan’ilay Sinoa ny fotodrafitrasa naorina teratany Malagasy iray, eo amin’ny “Baie de Sakalava”.
Malagasy voalohany manana diplaoma iraisam-pirenena hampianarana “Kitesurf” izay karazan-dalao fikorisana eny ambony izy ity, izay nomen’ny Kaominina Ramena fahazoan-dalana manankery herintaona azo havaozina, ny 16 jona 2016, hanorenana trano hazo (paillote) iray mitafo falafa amina velarana 50m2. Nanome alalana azy hanangana “paillote” hampianarana “Kitesurf” ihany koa ny Antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomamy sy an-dranomasina. Vao nanomboka nanadio ny toerana hananganana ilay “paillote” anefa ilay teratany Malagasy dia nosakanana sinoa, tompona hotely ao an-toerana izay nanondro ilay fanorenana no tsy ara-dalàna sady manelingelina. Nidina teo amin’ilay toerana ihany koa ny zanaka lahin’ilay Sinoa ny 21 jona, andro nanaovana ny hady fototra ilay trano, nanamafy ny fanoheran’izy ireo io fananganana “paillote” io. Tsy nijanona teo fa mbola nandefasan’ireo Sinoa enin-dahy sy miaramila mitondra basy, nanapotika ny tsatoka sy ny fototra nataon’ilay teratany Malagasy teo amin’ilay toerana.
Nametraka fitoriana noho ny fanimbana ny fananany ilay teratany Malagasy saingy zara raha nohenoin’ilay Sinoa ireo olona nirahiny hamotika ny fananan’olona dia navotsotra. Teo ampiandohan’ny olana dia nilaza ho tompon’ny tany ilay Sinoa. Niova indray ny filazany nony taty aoriana, lazainy fa manelingelina azy fotsiny tsotra izao ny zavatra ataon’ity teratany Malagasy ity. Nitondra vadintany moa ity farany, nanao fanamarinana ny zava-misy tamin’ilay toerana. Ho setrin’izay dia notorian’ilay Sinoa tany amin’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana ny Kaominina Ramena, fa nanome fahazoan-dalana hanorina ity teratany Malagasy ity. Nomen’ny Fitsarana rariny ilay Sinoa, tamin’ny didy nivoaka ny 7 jolay teo, ary dia voarara tsy hahazo hanohy ny asa ilay teratany Malagasy. Mitaraina ireto farany manoloana ny zava-misy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.