Ramatoabe 80 taona voatafika

> Naratra ny tenany iray manontolo, vola 2 tapitrisa Ariary lasan’ny jiolahy


  • Alakamisy 17 Oktobra 2013


Ramatoa be 80 taona nandova sy manankarena be tsy manana vady sy zanaka mipetra-drery no fantatra fa notafihan’ny dahalo fito lahy nirongo basy tao an-tranony, tao Mahaboboka Sakaraha. Lasan’ireo malaso tamin’izany ny vola roa tapitrisa Ariary. Tsy vitan’izany fa mbola nodarohan’ireo olon-dratsy ny tenany, ka mangana avokoa ny tarehiny sy ny vatany iray manontolo. Nomarihan’ny niharan-doza fa fanintelony tao anatin’ny telo taona izao no notafihan’ny dahalo ny tenany, voalaza fa mitahiry volabe ao an-trano foana. Fanafihana roa talohan’io dia efa nodidian’ireo malaso tamin’ny antsy ny vatany. Mahagaga ihany ny fahasahian’ireto jiolahy ireto satria dia mipetraka afovoan-tanàna sady maro olona ity ramatoabe ity. Manaitra ny sain’ny mpitondra ny vahoaka any an-toerana mba hanao laharam-pahamehana ny fandriampahalemana. Ny zava-misy mantsy dia toa takon’ny fampielezan-kevitra etsy sy eroa ny asa ratsy rehetra amin’izao, ka mampitsoaka an’ala ny olona.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT