Trano iray vita amin’ny hazo, ao amin'ny Fokontanin'i Ambohitrabo ao Farafangana renivohitra, no saika hisy handoro tamin'ny solika ny alin'ny 3 mey hifoha ny 4 mey tokony ho tamin'ny 12 ora alina.
Norarahan'ny olon-dratsy solika ary nasiany bozaka ny andrin-trano manodidina rehetra dia avy eo narehiny. Soa ihany fa nalaky taitra ilay ramatoa tompontrano, izay irery tao an-trano, raha naheno ny akoho nikoraraika satria ny tranony mifanila amin'ny tranon'akoho. Mbola azo novonoina haingana ny afo, ka tsy niitatra raha tsy izay zava-doza no nitanga. Mipetraka ny fanontaniana, sotasota sa tena asan-jiolahy ity doro trano niniana natao ity ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.