Actualités

Ramatoa mipetra-drery Maty nisy namono tao an-tranony


  • Alarobia 02 Aprily 2014

Ramatoa iray 67 taona no maty nisy namono tao an-tranony tao Tsarasaotra Antsirabe. Omaly talata 01 aprily no nahitana ny razana.

 Raha ny nambaran'ny zanany lahy dia nanomboka ny alahady no tsy hitany ity reniny ity, raha toa ka mbola nivaro-damba tao an-tsena Sabotsy toy ny fanaony izy ny sabotsy 29 martsa teo. Niezaka nanontany ny manodidina ity zanany ity fa tsy nisy nahita, ny tranony rahateo nihidy "gadenas" avy ety ivelany. Efatra mianadahy izy ireo no iray tampo ka mipetraka aty Antananarivo ireo anabaviny. Raha nanontaniana ireto farany dia samy nilaza fa tsy any amin’izy ireo ilay ramatoa.

Raha nanontanina ny mpanofa trano tao ambany rihana itoerany dia nilaza fa naheno olona nivezivezy tao ambony izy ireo ny alahady tokony ho tamin'ny 3 ora maraina ary tamin'ny 5 maraina no naheno olona farany tao izy ireo. Tapa-kevitra ny hitsirika teo am-baravarankely ilay zanany lahy ny talata maraina io ka nahatazana olona misarona lamba teo am-pandriana ka nopitsohina ilay hidin-trano teo ivelany. Raha vao nivoha moa ny varavarana dia efa fofona maimbo no nivoaka tao ka tsy sahy niditra ny trano intsony izy fa niantso ny Fokonolona sy ny manodidina ary ny mpitandro filaminana.

Rehefa tonga ireo niaraka tamin'ny BMH dia hita fa novonoin’olona ity ramatoa ity vao nosaronana lamba ary nohidiana avy teo ivelany ny trano. Feno ratra ny faritry ny lohany ary efa nanomboka niha simba ny razana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT