Efa tena miditra lalina ny fanadihadiana ataon’ireo vaomiera manokana natsangana eny anivon’ny parlemanta araka ny filazan’ny mpikambana CST Ramasy Adolphe.
Momba ny boaderôzy izao ohatra dia nolazaina fa nidina tany Toamasina mihitsy ireo parlemantera mpanao fanadihadiana. Fantatra ary fa tsy misy taratasy mazava mihitsy, momba ireo kaontenera 29 feno boaderôzy ao an-tokotanin’ny MICTSL. Niakatra taty Antananarivo ka nikaroka tao amin’ny ministeran’ny vola sy ny tetibola izahay, vao nahita dosie 8, hoy Ramasy Adolphe, tsy mbola tena mazava tsara koa anefa ireo dosie ireo. Rehefa nanatona ny tany amin’ny fadintseranana teto Antananarivo indray izahay, dia nanambara ny tompon’andraikitra tao fa tsy afaka mamoaka ny dosie, hono.
Taorian’izay dia niresaka tamin’ny tale jeneralin’ny fadintseranana ireto mpanao fanadihadiana manokana avy ao amin’ny parlemanta ireto, ary fantatra fa nanaiky ingahy tale jeneraly fa afaka mijery izay dosie rehetra tiany hojerena ireo mpanao fanadihadiana. Nanitrikitrika Ramasy Adolphe fa na iza na iza voakasika amin’io raharaha trafikana boaderôzy io, eny fa na dia manampahefana aza, dia tsy maintsy hivoaka ny marina rehetra. Nolazain’ity mpikambana CST ity ihany koa fa mba mahagaga ihany ny tsy nanetsehana ireo dosie fitoriana sy fitarainana maro be tonga any amin’ny Bianco, anisan’izany ny fitoriana napetraky ny profesora Zafy Albert. Tokony hiainga ny fanadihadiana rehefa mipetraka ny fitoriana, hoy i Adolphe Ramasy, ka hanetsika izany mihitsy no antom-pisian’ireo vaomiera natsangana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Anisan’ireo dosie goavana nampalaza izao fitondrana tetezamita izao ny boaderôzy, raharaha Nadine Ramaroson sy ny resaka ady tany, ary ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ao anatin’ny gaboraraka amina faritra maro manerana ny Nosy, koa ho hita eo raha tena sahy hamoaka ny marina tokoa ireto CST manao fanadihadiana ireto na be resaka fotsiny, sy sanatria manao ho fitaovana politika ny fanadihadiana ataony.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.