Actualités

Ramamonjisoa Florentin Pascal « Mety ho lafo Madagasikara raha omena zom-pirenena ny vahiny »


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2022

Nanao totoafo tato ho ato ny fanehoan-kevitra momba ilay lalana hodinihina eny anivon’ny Antenimieram-pirenena mikasika ny fanomezana zom-pirenena Malagasy ireo tera-tany vahiny eto amintsika.

Naneho ny heviny mifandraika amin’izany ny faran’ny herinandro teo Ramamonjisoa Florentin Pascal, mpandinika raharaham-pirenena. Nambarany fa ahiana ho lafo amin’ny ambongadiny mihitsy i Madagasikara iray manontolo afaka 20 na 30 taona raha toa ka misisika amin’ny fandaniana io lalana io ny solombavambahoaka. Mbola tsy mahazo ilay zom-pirenena aza ireo vahiny ireo hoy izy dia efa tena potika sahady ny Malagasy. Faritana ny tany ery, vidiana ny tany ety…Tsy tokony izany no hahamaika ny Fitondram-panjakana hoy hatrany ity mpandinika ny raharaham-pirenena ity fa ny famahana ny olan’ny Malagasy mpiray tanindrazana, indrindra fa ny sosialy toy ny fanomezana asa ny vahoaka, ny fampidinana ny vidim-piainana….Mikasika ireo vahiny efa nonina teto amintsika hatramin’izay kosa ary efa hilevina eto mihitsy aza dia nambarany fa azo omena ilay zom-pirenena ihany ireny saingy tsy maintsy arahi-maso akaiky sao sanatria ihany koa miketrika fanambakana na fitsetsefana. Anjaran’ireo andrim-panjakana roa lehibe eto amintsika araka izany ny mandinika izay tokony hataony. Amin’ny ankapobeny mantsy dia saika samy manahy ny amin’ny mety hahalafo an’i Madagasikara avokoa ny rehetra raha toa ka lany eo tokoa io fanomezana zom-pirenena Malagasy ireo tera-tany vahiny io.
Pati
Legende : Ramamonjisoa Florentin Pascal, mpandinika raharaham-pirenena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT