Actualités

Ramady Albert Tsy hanaiky lembenana ny mpampianatra


  • Alatsinainy 23 Aprily 2012

Tonga eto Antananarivo ny solontenan’ireo DREN rehetra manerana ny Nosy, hoy Ramady Albert, mpikambana ao amin’ny sendika SEMPAMA Ihorombe miaraka amin’ireo namany efatra mirahalahy tarihan’ny filohany, Rajoma Louis.

 “Mitokona eto an-tokotanin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena izahay fa zo anatin’ny lalàna sendikaly izany. Nampanantena ny tetezamita hoe rehefa tonga ny minisitry ny fanabeazam-pirenena lasa tany andafy dia hisy ny dinika hifanaovana. Efa tamin’ny alahady teo no tonga io minisitra io nefa hatramin’izao tsy ny nisy fiantsoana anay. Dia miandry eto amin’ity ministera ity izahay manohy ny fitokonana ka raha tsy hita ao anaty “bon de caisse” ny fitakiana dia tsy misy mpampianatra mandray tsaoka (la craie) izany hatrany amin’ny Fokontany madinika kely any alavitra any aza”, hoy izy. Amin’ny ankapobeny, tsy misy sekolim-panjakana misokatra izany any ambanivohitra. Nohamafisin’Atoa Ramady Albert, fa ny mpampianatra no tena farahidiny eto amin’ny firenena ka tonga ny fotoana hanarenana izany fa tsy azo atao ho zanak’Ikalahafy ary tsy maintsy atao ny marin-karama mifanaraka amin’ny raharaha atao. Ny volan-jaza ohatra dia 200 ka hatramin’ny 300 Ariary izay angatahanay ho 40.000 Ariary. Tsy manaiky lembenana intsony ny mpampianatra fa tsy maintsy mihoitra amin’izay hitovy amin’ny mpiasam-panjakana rehetra izay.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT