«Be loatra ny mpanelanelana ka izay no tena mampitarazoka ny famahana ny krizy eto Madagasikara, satria samy manana ny fomba fijeriny avokoa ireo mpanelanelana na dia misy aza ny tenin-drazana manao hoe : « Ny hitsitokotokoan’ny lohany hananan-kevitra».
Io ny fanehoan-kevitra nataon’Atoa Rakotondrasoa Tantely Nirina, kandidà ho solombavambahoaka ao Antsirabe I, natolotry ny PNJ Mazava. Milaza ireo mpanelanelana fa tokony halalaka ny fifidianana ka mandray anjara daholo ny rehetra, ao koa anefa ny mitaky ny fanesorana ireo kandidà sasany izay lazaina fa tsy manara-dalàna ka izany rehetra izany no mampisavoritaka ny famahana ny olana, hoy izy. Efa ezaka goavana no nataon’ny FFKM izay isaorana azy ireo tonga saina indray handray anjara amin’ny famahana ny krizy, satria na ny vondrona iraisam-pirenena aza izao mahatsapa ny maha goavana ny andraikitra ilana ireo raiamandreny am-panahy ireo, ka inoana fa ireo no mety hahavaha ny krizy eto Madagasikara. Ho an’ity kandidà ity dia ny fifidianana solombavambahoaka no tokony hatao mialoha.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.