Rakotondrafy Aimé, filohan’ny Sendikan’ny Paramed itambaran’ny infirmier sy sage femme no vahinin’ny Tia Tanindrazana anio. Nanontaniana azy ny anton’ny grevy tontosain’ny Paramed amin’ny alatsinainy izao eto Analamanga sy ny fitarana amin’ny faritra 22 manomboka ny alakamisy sy zoma
Tia Tanindrazana (TT) : Hiroso amin’ny fitokonana ianareo Paramed amin’ny alatsinainy izao. Tsy azo idovirana mihitsy ve ilay izy ?
Rakotondrafy Aimé (RA) : Leon’ny fandrirarirana izahay satria ny sendika dia nanaiky hifampidinika nandritra ny roa tonta fa tsy nisy vokany izany Ataoko angamba hoe rariny sy hitsiny raha miova ny fomba fitondrana ny tolona
TT : Inona no tena fototr’ilay fitakiana ?
RA : Amin’ny maha “catégorie
TT : Manao ahoana àry ny endrik’ilay fitokonana hataonareo?
RA :
TT : Tsy misy ve izany ny “service minimum”?
RA : Ilay miasa amin’ny alina no “service minimum”.
TT : Efa nahazo fampandrenesana araka ny lalàna ve ireo mpitondra isan-tsokajiny?
RA : Efa nandefesana fampilazana ny praiminisitra sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta voakasik’ity raharaha ity ary ireo tale isan-tsokajiny eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana.
TT : Tsy heno mihitsy ny Paramed nandritra ny roa taona. Efa nahazo fampanantenana avy amin’ny fanjakana ny SEMPAMA vao taitra ianareo. Tsy ohatra ny manararaotra izany fivoaran’ny toe-draharaha izany ve ianareo ?
RA : Tsy mbola niova ity fanjakana ity hatramin’ny fotoana nanaovanay fitakiana tamin’ny 2009. Nanaja ny fanjakana izahay ka nisafidy ny fifampidinihana hatrany. Hita anefa fa tsy vahaolana ilay fifampiresahana nandritra ny taona maro izay. Araka ny efa fanaonay isan-taona dia amin’ny andron’ny “sage femme” sy “infirmier” izahay no maneho hevitra. Tsy maninona koa anefa raha lazaina fa manararaotra aza izahay. Ny fantatray dia matoa mahita vahaolana ho an’ny sasany ny mpitondra dia tokony hahita ho anay koa. Samy mpiasam-panjakana izao ve dia misy hoe ny sasany mahazo fa ny sasany tsy omena.
TT : Toa te hilaza ve ianao fa misy ny zanak’ikala hafa ?
RA : Miharihary mihitsy ilay fanaovana zanak’ikalahafa na eo amin’ny ministeran’ny fahasalamana fotsiny aza. Izahay no nanomboka nitaky tamin’ny 2009 kanefa ny 2010 raha nitaky ny mpitsabo dia efa nahazo. Izao misy sendika mitaky dia efa misy soritra hahazo ary arahabaina sahady ry zareo amin’izany. Fa maninona izahay Paramed no tsy omena ?
TT : Raha amin’ny alina ny «service minimum». Iza no tompon’andraikitra raha sanatria misy fahafatesan’ny marary ?
RA : Tokotelo mahamasa-nahandro ny asa fitsaboana. Raha tena tsapan’ny fanjakana fa tena ilaina izahay dia vahany io olana io fa matoa tsy vahany io dia tsy misy dikany izahay aminy. Raha misy anie ny fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana dia mijanona izahay na rapitso ihany aza e.
TT : Ahoana no ahazoana antoka fa hisy hatrany fiaraha-mientanareo Paramed. Raha nisy mantsy fandrahonana fanapahana karama na koa fisamborana efa natao tamin’ireny 2010 ireny dia rava ho azy ilay tolona nataonareo?
RA : Tamin’ireny fotoana ireny dia mbola tsy nijoro ara-dalàna ny sendika satria tamin’ny 2010 nandritra ny fivoriambe tany Toamasina no nanangana azy. Amin’izao fotoana dia efa misy rantsana any amin’ny Faritra 22 izany hoe efa misy rafitra ahafahana miaro azy ireo. Efa nanao velirano koa ny “infirmier” sy “sage femme” rehetra fa tsy mipody vato zinera ka na inon-kidona na inon-kihatra dia tsy mijanona izahay raha tsy efa azo ny marikarama takianay.
TT : Ahoana moa izany ireny CBS 2 any amin’ny Faritra izay tantanin’ny Paramed ireny?
RA : Ny tanjona dia ny hanaporofo fa ny Paramed dia andry iankinan’ny fitsaboana satria ny roa ampahatelon’ny CSB dia izahay no mitantana azy. Eo ampanaovana fanentanana ireo namana rehetra izahay izao. Midika fahavonona tanteraka amin’ireo namanay avy any ambanivohitra any koa ny fahatongavan’ireo solontena avy amin’ny Faritra amin’ity fivoriambe ity izay nantsoina maika.
TT : Raha ny fahenoana izany filazanao izany dia toa tsy raharahainareo mihitsy izany ny marary?
RA : Tsy sanatria manao takalonaina ny marary izahay fa misy havanay koa anie marary e. Fa rehefa marary izaho dia mila fanafody aloha vao afaka mitsabo ny hafa. Raha tsy omen’ny fanjakana izay fanafody izay dia ny fanjakana izany no mamono ireo vahoaka Malagasy marary ireo fa tsy izahay.
TT : Ivereko ny fototry ny fitakianareo. Ny fitondram-panjakana dia efa nanambara fa tsy ahazoana ilay “point d’indice” 1200 raha ny diplaomanareo nefa ianareo misisika ihany?
RA : Izay mihitsy no tena mahagaga ! Manana porofo izahay fa misy ireo mpiasa “catégorie
TT : Miziriziry amin’io 1200 io izany ianareo?
RA : Raha nanana vahaolana ny fanjakana dia ajanonay ny grevy. Raha manolotra vahaolana ry zareo dia dinihanay raha mety aminay na tsia.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.