Actualités

Rakotonavalona Ranary Robertson « Irariana ny hananan’ny fitsarana endrika vaovao »


  • Zoma 07 Oktobra 2022

Tontosa soamantsara omaly 06 oktobra ny lanonam-pianianana sy fametrahana tamim-pomba ofisialy ny Filoha Voalohan'ny Fitsarana an-tampony eto Madagasikara, Atoa. Rakotonavalona Ranary Robertson.

Nanatrika izany teny an-toerana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sady Filohan’ny Filan-kevitra Ambonin’ ny Mpitsara. Anisan'ny andraikitry ny Fitsarana an-tampony ny miantoka ny firindran'ireo Fitsarana telo lehibe mandrafitra azy dia ny Fitsarana fandravana, ny Filan-kevim-panjakana ary ny Fitsarana misahana ny kaontim-bolam-panjakana. Adidy lehibe hiantsorohan'ny Fitsarana Tampony ny fametrahana ny tany tan-dalàna eto amin'ny Firenena. Izy ihany koa no mandray ny fianianan'ireo mpitsara lehiben'ny Fitsarana Ambony sy ireo manana andraikitra ambony eto amin'ny firenena toy ny Governoran'ny Banky Foibe, ny Tale Jeneralin’ny Bianco, ny Tale Jeneralin’ny SAMIFIN, ny Tale Jeneralin’ny ARAI, sns. Anjaran'ny Fitsarana an-tampony ihany koa ny manao fitsirihana sy manara-maso ny asan'ireo Mpitsara isaky ny ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana Ambony rehetra voasoratra ao anatin’ny lalàna fehizoro. Izany anefa dia tsy manohintohina velively ny fahaleovantenan'ny Mpitsara mpamoaka didy. "Ny irariana dia ny mba hananan'ny Fitsarana endrika vaovao ho tena Fitsarana fanoitry ny fampandrosoana, ka tsy hisy intsony ny tsy fitokisan'ny vahoaka ny Fitsarana fa dia hangarahara ny raharaham-pitsarana anatin’ny fahendrena sy ny fahaizana mandanjalanja amin'ny fahafantarana mialoha ny vokatra sy ny fiantraikan'izany asam-pitsarana izany eo amin'ny fiarahamonina" hoy Atoa. Rakotonavalona Ranary.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT