Actualités

Rakotonandrasana Valérien, SG PARAMED Nosamborin’ny jeneraly Ravalomanana omaly


  • Alakamisy 05 Jolay 2012

Miverina indray ny fisamborana mpitarika sendikaly ataon’ny mpitandro ny filaminana ao anatin’izao FAT izao.

 Nosamborin’ny jeneraly Ravalomanana Richard tao amin’ny hopitaly HJRA omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany teo akaikin’ny trano fitarafana “radio” Rakotonandrasana Valérien, sekretera jeneralin’ny SISFM, araka ny vaovao nampitain’ny biraon’ity sendika ity. Nentina teny Ankadilalana avy hatrany ny tenany. Resaka tsy fikarakarana marary ahiana ny ainy “non assistance de personne en danger” no antony, araka ny teny nataon’ny EMMO-Reg taminy tamin’ny fotoana nisamborana azy io raha ny tatitra avy amin’ny birao PARAMED hatrany. “Sady voaompa no voatefaka i Valérien ary nentin’ireo EMMO-Reg tanatin’ny fiara 4x4 avy eo”, hoy Rakotondrazafy Aimé, filohan’ny SISFM. Nanizingizina koa ity farany fa ny jeneraly Ravalomanana mihitsy no nikasi-tanana ity sendikalista naman’izy ireo ity raha tsy nisy nihetsika kosa ireo mpitandro ny filaminana niaraka taminy. Fanindroany izany izao no nisy ny hetraketraka atao amin’ireo PARAMED, satria efa niharan’izany koa ireo lohandohan’ny mpisorona tamin’ireny hetsika nataon’izy ireo tamin’ny martsa 2010 ireny.

Tranga 

Raha ny zava-nisy omaly dia nisy 21 ireo naratra vokatry ny fifanosehana tamin’ny fidirana tao amin’ny kianjan’i Mahamasina nentin’ny fiaran’ny EMMO-Reg tao amin’ny sampana vonjy aina HJRA omaly tolakandro ka ankizy kely ny 5 tamin’ireo (isa azo tamin’ny 5 ora hariva teny an-toerana). Zazakely iray sy ramatoa iray no tena voa mafy satria voahitsakitsaka avokoa ny tenany rehetra. Mbola nanatanteraka fivoriana teo anoloan’ity sampandraharaha ity ireo mpitsabo no nigadona ny fiara 4x4 misoratra “EMMO Sécurité” nitondra ireo naratra. Samy nikoropaka ny rehetra nahita ireo miaramila mitondra basy niditra ny faritry ny hopitaly izay marihina fa voararan’ny lalàna. Na dia nitokona aza anefa ireo dokotera ao amin’ny SMÉDFM dia nandray an-tanana tsara ireo naratra ireo satria nisy hatrany ny “service minimum”. Nirava koa tamin’io fotoana io ny fivorian’ny PARAMED tao amin’ny Amphithéatre HJRA.

Nisy andiana mpitandro ny filaminana tanaty fiara 4x4 EMMO-Securité miisa 3 avy dia nisambotra PARAMED vitsivitsy ary nanery azy ireo hitsabo ireo maratra izay tsy andraikitr’izy ireo mihitsy ny any amin’ny “urgence” fa an’ny dokotera mpitsabo. Navotsotra ireto farany rehefa hitany fa efa mahazo ny fitsaboana ara-dalàna ireo naratra. Tamin’io indrindra no nisy olona nanondro an’i Valérien ho mpitarika ireo mpitsabo tsy miraharaha ny marary. “Tsy nisy alaharo fa voadaroka sady nampidirina tanaty fiara izy”, hoy ny filazan’ny filohan’ny SISFM. Mbola voatazona ao Ankadilalana i Valérien hatramin’ny fotoana nanoratana saingy tsy mbola nisy ny fakana ambavany azy aloha. Ho an-dRakotondrazafy Aimé dia tetika nomanina hisamborana azy ilay niseho omaly. Vokatr’izany dia mampiato ny fitsaboana rehetra, eny fa na dia ny fiandrasan-draharaha aza ny PARAMED rehetra mandra-pivoakan’i Valérien. Tapitra hatreo koa ny fifampidinihana amin’ny fanjakana. “Tsy hifampiraharaha amin’ny fanjakana jiolahim-boto intsony izahay”. Ho hita anio ny tohin’ny raharaha.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT