Rakotomalala Rija

> Vita ny fampirantiana dia hiverina amin’ny politika


  • Alatsinainy 30 Septambra 2013

Nifarana ny sabotsy 28 septambra teo ny andiany faha-9 amin’ilay fampirantiana raki-tahiry fanaon’Atoa Rakotomalala Rija tetsy amin’ny Tahala Rarihasina rehefa naharitra telo herinandro.

Fahombiazana hatrany no azo tamin’ny fampirantiana natao, hoy Rakotomalala Rija, fa nanaporofo izany ny isan’ny mpitsidika nanodidina ny olona 14.000 tany ho any. Fanirian’ny mpitsidika ny hananganana mozea hampirantiana isan’andro an’ireo tarihiko sy ny hitondrana ny hetsika any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo saingy miankina amin’ny hoenti-manana izany, hoy i Rija. Tsy nafeniny mihitsy moa tao amin’ity fampirantiana ity fa olom-pirenena mpandray andraikitra amin’ny sehatra politika koa izy ary nahavita boky maromaro namidiny nandritra ny hetsika, toy ny hoe “Tsy maintsy miverina ny Dadanay” …  Tsy azo jerem-potsiny ity firenena ity rehefa nomen’Andriamanitra fahasoavana ianao, hoy izy, tahaka izao fahazoana manangon-javatra izao, ny efa nitantanana fokontany iray teto an-drenivohitra sy nandraisana anjara teo amin’ny fitantanana Boriborintany iray koa. Tapa-kevitra ity filohan’ny VAMI ity ankehitriny fa handray anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy ka anisan’ny kandidà ao amin’ny Boriborintany faha-3.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT