Mitory fahalemena sy henatra ho an’ny fanjakana ny resaka Befotaka, hoy ny minisitry ny atitany, Rakotoarisoa Florent izay zanak’iny faritra iny.
Aminy dia tsy azo ekena ny fifampiresahana amin-dry Remena bila sy ny tariny izay namono nahafaty miaramila sy sivily tao Ankolita, Kaominina Esira. Nambarany fa tsy tokony hananana antra ny fisamborana ireto malaso mampijaly vahoaka ireto ary raha manohitra aza izy ireo dia tsy tokony hisalasala ny miaramila hamono azy. Raha toa kosa anefa mitolo-batana izy ireo mandritra ny hetsika dia atolotra ny fitsarana araka ny hevitry ny minisitra ihany. “Tsy tokony hatahotra ny Amnesty International isika raha ny hevitray ato amin’ny Ministeran’ny atitany satria dahalo namono olona ireo. Rehefa nisy ny famonoana an’i Khadafi sy Saddam Hussein, nahoana no tsy nisy niresaka izany zon’olombelona izany ? Satria nisy tombontsoa narovana tao”. Na dia tsy miditra amin’ny paikady fanafihana izay asan’ny miaramila aza ny tenany dia mihevitra fa tsy tokony hisy voakitika kosa ireo olon-tsotra miaraka amin-dry Remena bila toy ny vady aman-janany.
Omena fotoana izy ireny hialany rehefa voahodidina ny tanàna fieren’ireo jiolahy saingy raha tsy mety mivoaka kosa izy ireo dia raisina amin’izay ny andraikitra araka ny fanazavany hatrany. Mialoha ny 26 jona izao no tokony hamitana ity raharaha ity, hoy ihany izy sao sanatria hihomehezan’ny dahalo eo ny mpitondra sy miaramila raha tsy mahavita izany. Tsy tokony hisalasala ny fanjakana hitady fiaraha-miasa amin’ny Frantsay izay manana ny helikoptera hitaterana ireo miaramila amin’ny faritra misy ireo dahalo hotafihina, faritra izay saro-dalana tokoa no sady lavitra. Azo atao koa ny mindrana elon’aina amin’ny tafika frantsay raha ny voalazany hatrany. Tsy ao Befotaka irery anefa no manjaka ny malaso fa feheziny koa ny ao Ranomafana izay efa an’arivony ireo mpitsoa-ponenana miakatra any Tolagnaro.
Toraka izany koa ny zava-misy ao Ankaditsaravato Kaominina Kiranomena sy Miandrivazokely ao Bemahatazana. Tsy vitan’ny mangalatra omby izy ireny fa mamono ihany koa. Anisan’ny maty tao Miandrivazokely ny filohan’ny fokontany sy filohan’ny Dina. Eo anatrehan’izany dia mampirisika ny Fokonolona hampihatra ny Dina izay efa nankatoavin’ny fitsarana ny Minisitry ny atitany satria izay no hita fa mahomby kokoa ny hifehezana ny filaminana toy ny any Melaky. Mampitandrina amin’ny fanararaotana amin’ny fampiharana azy kosa anefa ny tenany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.