Actualités

Rakotoarijaona Avoko Lany andro mifanenjika ny mpanao politika


  • Alarobia 20 Martsa 2013

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra tontosain’ny antoko Madagasikara Afaka. Rehefa nahavita ny afovoany andrefana ahitana an’i Bongolava sy Itasy dia niantsinanana indray ny kandida filoham-pirenena Rakotoarijaona Avoko sy ireo mpiaradia aminy ny faran’ny herinandro teo. Toamasina

 Vavatenina ary Fenoarivo Atsinanana ao amin’ny Faritra Atsinanana no nifandimby nanaovan’ny MAF famoriam-bahoaka ny zoma hatramin’ny alahady teo. Nanotrona ny fotoana tamin’ireo hetsika ireo ny olom-pirenena liana hihaino izay ambaran’ity kandida tanora ity sy ny mpikambana ao amin’ny MAF ary ireo mpikatroka kung fu. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-33 taona nidiran’ity haiady ity teto Madagasikara rahateo ny anton-dia. Nisy tamin’ireo tanàna rehetra notsidihana ny fanentanana ny mpikatroka kung fu hanampy ny vahoaka amin’ny fampandriana fahalemana ny tany. Nampianarina azy ireo noho izany ny fiarovantena isan-tanàna na “autodéfense villageoise” amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovam-piadiana maivana toy ny sabatra, ny lefona sy ny fitaovan-tserasera tsotra dia ny kiririoka sy ny finday. Ny foto-kevitra dia hoe mihetsika sy manaitra ny Fokonolona miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana ny mpanao kung fu raha vao mahare kirikioka na koka na koa hazolava.

Fambolena, fototry ny fampandrosoana

Tsy mitsahatra mamerimberina ihany koa Rakotoarijaona Avoko amin’ireo tanàna tsidihany fa ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra, indrindra ny seha-pambolena no fototry ny fampandrosoana ny firenena. Araka ny heviny dia mila miditra amin’ny fambolena indostrialy ny tantsaha ary ananganana orinasa mifototra amin’io sehatra io isam-paritra. Tanora avara-pianarana no asaina mitantana izany. “Sady ampy ny sakafon’ny Malagasy no afaka manondrana ihany koa isika”, hoy izy. Nohararaotiny koa ny nandefa hafatra amin’ny mpanao politika ka nilazany fa “tsy tokony ho variana hifanenjika sy hifamotika an-toerana fotsiny ny mpanao politika fa izay mahasoa ny vahoaka sy firenena no tokony himasoana satria efa tena latsaka ankaterena ny Tanindrazana”.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT