Noraisin’ny filoha am-perinasa Andry Rajoelina ho teboka miabo ho azy, ary nampiasaina atamin’ny famoriam-bahoaka miendrika fampisehoana tany Morondava ny fisehoana imasom-bahoaka nataon’ny
“Kopikole Andry Rajoelina” isan’ny mandray anjara amin’ny lalao fifaninana amin’ny fahitalavitra iray. Nampandraisina fitenenana imasom-bahoaka teo anatrehan’ny Filoham-pirenena. Tsy “kopikole” fa tena “clown” tena mitovy mihitsy, hoy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Niteraka adihevitra samihafa moa ny fisian’ity fakana tahaka ny filoha ity, izay andrim-panjakana sy olona manana ny hajany sy ny hasiny eto amin’ny firenena, saingy izy tompony aza moa tsy sarotiny. Toa trandrahana amin’ny lafiny politika aza, ary miteraka fanehoan-kevitra somary kivazivazy fa efa taratry ny “doublon” indray ity endri-javatra ity. Mety ho azo lalaovina amin’ny resaka politika io, toy ny fampiasana ilay olona amin’ny propagandy mivantana na ankolaka, hoentina mampiakatra ny anarana sy ny lazan’ny Filoha izay efa somary miha mihotsaka, hoentina misintona sy manangon’olona hanotrona,…. Any amin’ny valiny ihany koa, mety hatao lany na mahazo ny laharana voalohany mba hitezana ny sain’ny olona amin’ny resaka fifidianana ihany koa fa ny Filoha am-perin’asa no ho lany. Marina fa lalao no atao, saingy toa misy fitezana ny olona amin’ny mety ho tanjona ara-politika tiana hahatongavana. “Ataontsika ho hitan’i Madagasikara fa i Morondava dia tia an’i Andry Rajoelina, ary i Andry Rajoelina tia an’i Morondava. Teto aho no nanao kabary hoe ampio aho, dia ho hitako ny hanampiana anareo. Vato tamin’ny salan’isa ambony no nandanianareo hay”, hoy i Andry Rajoelina, toa efa manao propandy ankolaka. Ankoatra io, mandeha ny kiana mivantana na ankolaka mahazo ny Filoha izay misy maneho fa toa nisy endrika fanararaotana ho amin’ny tombotsoa politika ny hetsika lehibe ara-pivavahana tany amin’ny Diosezin’i Morondava ny faran’ny herinandro teo, izay nisiana fitokanana fotodrafitrasa ara-pinoana. Mafy ny ady ara-politika any Atsimo amin’ny fifidianana ka mikofokofoka mafy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.