Misimisy ihany izay fanakianana nahazo ny fitondram-panjakana izay tato anatin’ny telo volana izao.
Tsikaritra anefa fa tena vitsy ireo vondron’olon-tsotra, fikambanana na mpanao politika mijoro manazava ny tena anton’ny fanapahan-kevitra iray noraisin’ny fanjakana, ohatra, na miaro ny fitondram-panjakana.
Nisy ihany tamin’ny 2014 sy 2015 ireo vondron’antoko be resaka matetika tahaka ny VMSA nisy an-dry Voninahitsy Jean Eugène ka manao mpisolovava ny fitondram-panjakana isaky ny mihetsika, saingy tsy hita popoka ankehitriny. Ny antoko HVM moa dia tsy fantatra intsony ny mitarika azy fa sady tsy miteny no tsy mivolana… Tranga izay toa manaporofo ny resaka mandeha tato ho ato fa voailika i Rivo Rakotovao ka efa fiaraha-mitantana no atao ao anatin’ny HVM , ary tsy maintsy hisy ny fanovana ny birao politika mpitantana amin’ny kongresy nasionalin’ny antoko izay tsy maintsy hotanterahana mialoha ny faran’ity taona ity. Izay ny eo amin’ny tontolo politika, fa eo amin’ny lafiny ara-teknika sy ara-toekarena dia hita fa mandeha irery koa ny filoham-pirenena, hany ka maizina tanteraka amin’ny vahoaka izay tena drafitrasany. Mipetraka eto ny fanontaniana hoe fa manao inona fotsiny ary ireo mpanolotsain’ny filoha ao an-dapa ao ? Mihevitra ve i Hery Rajaonarimampianina fa ampy handresen-dahatra ny Malagasy ny serasera ataony any anatin’ny gazetiny sy ny haino aman-jeriny ? Sa ve efa tena mahatoky ny herin’ny vola izao fitondrana izao ka tsy mivaky loha intsony amin’izay mety ho hevitry ny hafa ? Hita mantsy izao fa na ny Mapar an’i Andry Rajoelina, na ny Tim an’i Marc Ravalomanana dia samy efa manomboka malailay fonosina amin’ny HVM, ity farany izay milaza fa afaka miresaka kanefa mamely an-kolaka ihany. Ny antoko politika hafa heverina fa lehibe moa dia ireny efa mitaky ny hanaovana fifidianana mialoha ny fotoana ireny, ka izany rehetra izany no ilazana fa efa tena miady irery i Hery Rajaonarimampianina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.