Vita ny fifidianan’ny antenimieran’ny varotra Toamasina ankehitriny. Hifarana ny alarobia 03 aprily izao ny asan’ireo “comite ad’hoc”. Nisy ny resaka nifanaovana tamin’Atoa Mbola Joseph Rajaonah filohan’ny “comite ad’hoc” mikasika ny fahombiazan’izy ireo tao anatin’ny volana vitsy teo anivon’ny CCI Toamasina.
Tia Tanindrazana (TT) : Azonao lazaina hoe nanao ahoana ny fifantenana anareo Comite ad’hoc, satria nampisy resabe ihany ny fivoahan’ilay didim-pitondran’ny minisiteran’ny varotra nanendry anareo ?
Atoa Mbola Joseph Rajaonah (Atoa Mbola) : Didim-pitondran’ny minisitry ny varotra no nametraka ahy ho mambran’ny Comite ad’hoc, ny minisitra ihany no nanana ny heviny ny anton’ny nifantantenana ireo mambra 18 sy nanendry ny tenako ho filoha hitarika izany araka ny didim-pitondrana io. Izahay mpikambana tao kosa dia ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka ny antenimieran’ny varotra avokoa, satria voasolotena tao ireo mpisehatra amin’ny seranantsambo, ireo vondrona nanana mambra teo anivon’ny CCI Toamasina teo aloha, ary ireo solontenan’ny ministera mifandray amin’ny CCI sy ny primatiora ary ny prezidansa.
TT : Raha ilay didim-pitondrana dia enim-bolana teo no niasanareo teo anivon’ny CCI Toamasina. Inona ny tsiambaratelonareo tao nahatrarana ilay tanjona napetraka tao anatin’ny fotoana fohy ?
Atoa Mbola : Efa nazava hatrany am-boalohany ny tanjona dia ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara ary hahafahan’ny rehetra voalazan’ny lalàna mirotsaka. Mafimafy ihany no nandrafitra izany satria ady hevitra no natao, nefa ny hevitry ny maro hatrany no tsy maintsy narahina ka mandefitra ny vitsy an’isa mba hahavita ny asa haingana. Niray ho azy ny feo noho ireo mpitantana teo aloha mikasa foana ny hanitatra ny maha Comite ad’hoc azy ireo nefa amin’ny maha adihevitra azy dia tsy maintsy misy ny tsy faly raha tsy voaraka na tsy lanin’ny daholobe ny arosony, izay nahatonga olana tamin’ny vondrona sasany niala an-daharana ny farany. Tsoriko anefa fa na filoha aza aho tao dia maro ny hevitra narosoko no tsy lanin’ny mpikambana maro an’isa, dia mandefitra ny tena ao anatiny satria izay ny demokrasia.
TT : Anisan’ny olan’ny CCI Toamasina ny ara-bola, nanao ahoana ny nandrindranareo izany ?
Atoa Mbola : Tena olana goavana tokoa ny ara-bola, vao tonga tao izahay dia foana ny kitapom-bolan’ny CCI Toamasina. Nanome fanampiana ara-bola ihany ny ministeran’ny varotra, indrindra ny nandoavana ny karaman’ny mpiasa, saingy roa volana ihany dia lany izany. Izay no nahatonga anay nifanaraka tamin’ny ladoany Malagasy ny hanaovana ny lavanty na tsy eo an-tokotanin’ny CCI Toamasina eo anivon’ny seranantsambo aza no anaovana azy, noho ny magazay tsy manaraka ny fenitra mikasika ny lavanty tokony hatao. Izay no nahazoana vola nentina nanodinana ny CCI Toamasina sy nandoavana ny karaman’ny mpiasa.
TT : I Mbola Joseph Rajaonah raha ny taona dia tena mbola tanora, inona re ny tsiambaratelonao nahavitanao ny asanao tao anatin’ny sarotra sy fanenjehana samy hafa nahazo anao ?
Atoa Mbola : Tsy misy tsiambaratelo izany io, ny fahasahiana ihany no miantoka ny fahombiazana. Izay maha tanora ahy izay indrindra angamba no nananako io fahasahiana io dia tratranay Comite ad’hoc ny tanjona napetraka. Tsoriko anefa fa be ny nanenjika, ny fingampingana, nefa ireny no nentiko nihoitra tamin’ny asa natako. Tsy mora izany hoe isaka alina dia misy mitoraka ny tranonao, isan’andro dia tsy ialan’olon-tsy fantatra manodidina ny fonenanao, manginy fotsiny ny fandrahonana amin’ny finday. Tsy nitory mihitsy anefa aho satria tsy tiako ny miady, fa ny asako ihany no nezahako novitaina dia izao hitantsika izao ny vokatra.
TT : Afa-po ve ianao ankehitriny fa tratra ny tanjona, hifarana tsy ho ela ny maha-Comite ad’hoc anareo ?
Atoa Mbola : Ny afa-po 100% aloha tsy misy, fa afa-po fotsiny tsotra izao satria nahavita ny asa nanankinan’ny firenena, ny mpandraharaha ary ny fanjakana tamin’ny tena. Maro koa ireo mpintantana napetraka teo tsy nisy nahavita ny fifidianana nefa tamin’ny fitantananay dia vita izany ary vita tamin’ny marina sy mangarahara.
TT: Anisan’ny fanenjehana anao ny hoe “tsy maha zanak’i Toamasina” anao, inona no azonao ambara ?
Atoa Mbola : Tsy haiko aloha ny dikan’izay fa izaho dia teraka teto, nianatra teto ary teto avokoa no nahazoako ny diplaomako, mbola miasa sy mamome asa eto ihany koa amin’ny alalan’ny orinasa keliko. Na izany aza, nahavita izahay mpikambana napetraka hanatsara ny CCI Toamasina sy hanomana ny fifidianana, dia izay no azoko ambara, fa anjaran’ny mpanenjika ny azy fa izahay dia ny mandroso hatrany no tanjona.
TT : Hamaranantsika ny resadresaka, tanora mpandraharaha ianao ary tanora tafavoaka amin’ny fandraharahana ataonao, mba zarao aminay sy ireo tanora ny tsiambaratelonao tamin’izany ?
Atoa Mbola : Averiko ihany fa tsy misy tsiambaratelo ny fahombiazana, ny fahasahiana ihany no erany. Midika izany fa mila sahy amin’ny fampiasam-bola fa tsy hiahotra lava ny tanora, satria raha vao miahotra ianao dia efa sakana izay amin’ny fandrosoana sy ny fivoaran’ny asanao. Nampiasa vola maro aho nahavitako ny orinasa keliko ary sahy tao anatin’izany. Isaorako ianareo gazety Tia Tanindrazana raha mahita sy manasokajy ahy ao anatin’ny tanora mba niezaka, satria sarotra ny lalana fa io fahasahiana io ihany no erany.
TT: Inona no hafatrao amin’ireo mambra vaovao voafidy ny CCI Toamasina izao ireo ?
Atoa Mbola : Tsotra ihany, mahaiza mifampihaino, mahaiza mifampiresaka, mihainoa ny hevitry ny mpiasa ary mahaiza miady hevitra, fa izay ihany no miantoka hevitra tsara sy vaovao hahafahana mihoitra amin’ny tsara kokoa sy amin’ny fandrosoana tadiavin’ny maro atao sy tian’ny rehetra hahatongavana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.