Actualités

Raissa Razaivola Hiakatra fitsarana anio


  • Zoma 11 Martsa 2022

Ny 8 febroary teo no namoaka filazana fikarohana an’i Raissa Razaivola noho ny fikasana hamono olona ny polisim-pirenena.

 Ny ampitson’izay ihany moa dia nanitsy ny mpisolovava azy fa tsy nitsoaka izy akory fa miteraka anatina klinika iray. Niatrika fampanoavana ny alin’ny 24 febroary teo moa ny raharaha ary nampidirina am-ponja vonjimaika teny Antanimora vokatr’io ity voapanga ity. Ankoatran’izay dia firaisana tsikombakomba amina afera toy ny resaka volamena sy fanerana amin’ny afera maizina no isan’ny iampangana azy. Isan’ireo voarohirohy niaraka taminy ihany koa ny koa ireo voalaza ho teratany “Karana” roalahy antsoina hoe Koufali Daya sy Stephan Khamis, ankoatran’olon-kafa maro hafa. Raha tsiahivina dia niatomboka tamina resaka horonampeo naha voasaringotra ny minisitry ny fitsarana teo aloha, Imbiki Herilaza, ity raharaha ity. Hiakatra fitsarana anio moa ny raharaha raha ny fantatra. Hipoitra ve ny marina sa tsia ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT