Ahiana hamono olona eto an-drenivohitra ireo kisoa maty voapoizina avy any Arivonimamo, raha ny fanazavan’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana Rakotomanjato Rodin. Mirongatra mantsy ny halatra kisoa any amin’iny Distrika iny tato ho ato.
Poizinin’ireo tsy mataho-tody ny kisoa. Tsindroniny mba hivoaka ny ra aorian’izay ary esorin’izy ireo koa ny taovany sy ny vavony izay faritra tena hitoeran'ilay poizina. Ataony anaty gony mifangaro amin’ireo karazana entana toy ny vomanga…avy eo ary amidiny eto an-drenivohitra ny henany. Efa ho tapa-bolana izao no nisian'izany, araka ny fanazavan’ity solombavambahoaka ity ihany. Fokontany roa be izao no efa lasibatra. Karazana poizina miloko manga no omen'ireo mpangalatra ny kisoa, izay ahiana ho toy ireny fampiasan'ny fivondronana mba hamonoana alika mirenireny eto an-drenivohitra ireny. Maty avy hatrany ilay kisoa dimy minitra aorian'ny hihinanany izany, raha toraka izany koa ireo biby toy ny alika, ny saka, tonga mihinana sy mitangorona amin'ny taovan-kisoa. Mangataka ny handraisan'ny tompon'andraiki-panjakana fepetra ity solombavambahoaka ity. Anisan'ireny ny mpitandro ny filaminana izay tokony hanokatra fanadihadiana mikasika ny toerana hivoahan’ireny poizina ireny, ny fisavana entana eny an-dalana, ny minisitera. Hisorohana ny loza mety hitranga eto an-drenivohitra no nanaovan’ity solombavambahoaka ity izao fanairana izao. Ankoatra izay moa dia fantatra ihany koa fa olona dimy be izao no efa matin’ny pesta ao amin’ny Kaominina Tsinjoarivo saingy tsy mbola hita ihany izay fandraisana andraikitra nataon’ny fitondram-panjakana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.