Omaly (TTF: ny alahady 28 aogositra tokony ho tamin’ny 3 ora latsaka fahefany hariva teo) raha andeha hanao baolina tany Marohoho izahay,
hoy ny raim-pianakaviana antsoina hoe Harinirina Rakotonjanahary, no nitrangan’ny zava-nanjo ahy, hoy izy. Misy kianja filalaovanay baolina izay ao nisy nanasa lamba, hoy izy. Niverina izahay, noho izany, dia tao amin’ny sahan’Ankatoho no nilalao. Nandeha nivalandrano teo amin’ny vodihazo ilay namanay. Ity zandrin’ny vadiko ity niakatra teo ambonin’ilay hazo. Nisy biby hafahafa mainty bebe voamaso toy ny bibilava fa fohy kely nilatsaka. Taitra aho dia nanitsaka azy. Nodakako avy eo. Tsy hitako avy eo fa nody fotsiny aho satria fanina. Tonga tany an-trano dia narary ny tapany ambany. Tsy nisy tsaroako intsony avy eo. Ora 2 teo angamba aho tsy nahatsiaro tena satria teo amin’ny tamin’ny 5 sasany teo indray vao nahatsiaro tena. Ny olona nanatrika ahy teo no nitantara tamiko hoe nihinjitsindritra sy ohatran’izany. Toy ny nisy nanery ahy hoe miverena fa maty ilay biby novonoinao. Tsy mety koa ianao raha tsy maty, hoy ilay olona tsy aiko hoe iza fa sady manondro ilay biby foana. Nanontany izahay hoe sao dia misy mahalala ny tantaran’ny sahan’I Doudou be, satria izay no anarany. Manaova fombafomba, hoy ny olona, fa be dia ny tratran’izao fa maty. Matahotra daholo ny olona hoe izay namono an’io biby io tsy nisy velona izany. Vita ny fombafomba dia nisy vehivavy izay no nitondra ahy tato amin’ny pasitera hoe andao hivavahana ato dia izao izaho velona tsara izao. Vao izaho, hono, no velona fa efa nisy nanao fomba toy ny nanatitra gana sy ny tariny tany aloha tany fa maty ihany. Mino aho fa tsy hanelingelina ahy intsony iny satria omaly aho tsy tafatsangana fa izao tena efa mandehandeha tsara, hoy hatrany ity raim-pianakaviana ity nitantara.
J. Mirija
Legende: Izy no Harinirina Rakotonjanahary
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.